Flash
Préc Suiv
Logo Free News

DFP : “Tsy voakitika ireo atidohaben’ny mpanodinkodim-bola”

DFP : “Tsy voakitika ireo atidohaben’ny mpanodinkodim-bola”

Ireo mpitarika eo anivon’ny DFP.

Nandefa fitoriana teny amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ny Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), afakomaly, teny Ambohibao. Votoatiny, tsy misy voakitika amin’ny famotorana ireo atidohaben’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, indrindra ireo mpiandraikitra ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra ao anatin’izany ny minisitry ny Atitany sy ireo mpiasam-panjakana ambony maromaro notendrena hitantana ireo vola ireo ary ireo mpiandraikitra ny tsenam-baro-panjakana. Ny mahavariana, tsy mbola misy hatramin’izao ireo atidohabe voasambotra manoloana ity kolikoly goavambe, amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ity. “Rtoa Claudine irery no iangonan’ny rihitra ary saika nahazo fahafahana vonjimaika an-kamehana, raha tsy teo ny Sendikàn’ny mpitsara sy ianareo mpanao gazety arofanina izany”, hoy Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, mpitarika eo anivon’ny DFP omaly, tetsy Ambatonakanga. Fanampin’ireo, voasakana tanteraka ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota eto amin’ny firenena noho io “resaka Razaimamonjy io”. Nataon’ny sasany hanadiovan-tena sy hanamarinan-tena ity raharaha ity, raha ny fanampim-panazavana.

Nahitsy ity mpitarika eo anivon’ny DFP nilaza fa “ governemanta tsy avotra intsony izao mitondra ny firenena izao. Ravao io”. Hanatanteraka fifanatonana amin’ny herinandro ireo heverina ho hery velona rehetra eto amin’ny firenena, hijerena ny fandaharanasa sy hitantanana ny firenena, raha ny fanambarana. “Tsy azo ankinina samy irery amin’ny filoha Rajaonarimampianina intsony ny firenena. Mila mandray fanapahan-kevitra isika iverenana amin’ny tany tan-dalàna. Manampy ireo, ny fanadiovana amin’ny fanomanana ny lafiny fifidianana, hanova ny lalàmpanorenana, ary indrindra ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena”, hoy izy. Hiroso amin’ny vahaolana amin’izay isika fa tsy mety intsony ny famendrofendroana eto. Ho tonga amin’ny fifanatonana ve ny avy eo amin’ny fitondrana raha nilaza ny handefa fanasana ny eo anivon’ny DFP?

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.