Flash
Préc Suiv

Tsy atokisana ny mpitondra ireo raharaha vitavita ho azy

Tsy atokisana ny mpitondra ireo raharaha vitavita ho azy

Ezaka imasoan’ny fanjakana tato ho ato, na mety mbola kabary ihany, ny hoe famarenana ny fahatokisan’ny vahoaka azy. Mby aiza? Tanisainy ny hoe fanajana sy fampiharana-dalàna, fandraisana andraikitra… Manomboka amin’ny mpitondra ve izany sa mijanona ho kabary  fandrisihana ihany tokoa?

Maro ireo raharana mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana tsy hita izay tena fandraisana andraikitra ny mpitondra, indrindra izay hoe fanajana sy fampiharan-dalàna. Saika vitavita sy tsy hitahita ho azy aza ny ankamaroan’izy ireny. Toa ny mpitondra aza no manao izay tsy iresahana sy hanadinoana azy.

Eo, ohatra, ny « Raharaha Rehavana Michel« , mpitsara tany Toliara novonoin’ny polisy, 9 desambra 2011, ny « Raharaha Anjozorobe »; ny fakana an-keriny ankizy mianadahy tany Taomasina, taona 2015; ny baomba nipoaka teny Mahamasina, ny 26 jona 2016, nambara fa ny mpanohitra no tao ambadika…

Eo koa ny « Raharaha rongony » tany Toliara, nahavoasaringotra minisitra. Faramparany izao, tsy mazava ny « Raharaha Antsakabary« , nandoroan’ny polisy 42 avy any Mahajanga trano 484. Toy izany ny « Raharaha Razaimamonjy Claudine », ny Raharaha Bekasy », ny « Raharaha Andriamandavy VII Riana« .

Saika avela na inian’ny mpitondra ho vitavita sy tsy hitahita ho azy ireny raharaha ireny.  Mahavoasaringotra azy? Na ny olona akaiky azy… Tsy vitan’izany, mizana tsindrina ila ny fampiharan-dalàna. Mbola fitaovana politika ny fitsarana amin’izay manelingelina, soketaina no manakorontana sy manongam-panjakana.

Efa samy tratran’izany ny mpitarika politika, ny mpitarika sendikà, ny mpitarika mpianatra teny amin’ny oniversite; eny, ny mpitarika ny mponina eny ifotony aza toy ny tany  Soamahamanina, ohatra. Amin’izany, ho tonga amin’ny tsy fahazoana miteny sy mihetsika intsony?

Ho to teny amin’izay hoe fampanajana sy fampiharan-dalàna ve ny mpitondra, raha tsy atomboka aminy izany? Ho ohatra velona hotahafin’ny vahoaka. Ahina hirongatra ihany ny fitsaram-bahoaka, raha mbola misy ny mizana tsindrina ila amin’ny fampiharan-dalàna. Tsy hita rahateo izay tena vahaolana aminy.

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.