Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : tsy lahatra nefa toy ny ozona

Noesoesoina ny teny filamatra nentina mpilatsaka iray tamin’ny fifidianana ho filoha tamin’ny taona 1992. Tsy lahatra ny fahantrana hoy ilay teny filamatra, ary nanolo-tena ilay mpilatsaka itarika tolona amongorana ny fahantrana. Natao fihomehezana angamba izany, tsy dia hoe noho ny tsy fahampiana finoana amin’ny fandresena ny fahantrana fa noho ny fiheveran’ilay olona ny fiononan’ ny vahoaka ao anatin’ny fahantrana. Roapolo taona mahery aty aoriana anefa misarisary fa maro amin’ny mponina no mitady ho very toky resy lahatra noho ny tranga iainana fa tsy vitan’ny hoe lahatra fotsiny fa ozona mihitsy ity fahantrana mianjady eto amin’ity nosy malaza ho manan-karena ity, toy ny vilian-tsahona malaza tsy ihinanana.

Dia ny tany ve no lany tsiro, sa ny olona no tsy ampy ezaka, sa ny fitondrana no ratsy tantana? Sarotra no hihevitra fa ny tany no tsy mamokatra, misy na mbola vitsy aza ireo Malagasy mahita mamy, maro amin’ny vahiny no lasa bolangina vokatry ny harena trandrahany eto an-toerana. Dia ny tompon-tany ve no tsy ampy fiezahana? Aoka re, satrin’iza ny lelo no ambony molotra. Ny fahantrana tsy miteraka harena, mitaky rafitra tsara orina ny fanaovana ezaka fa tsy afaka atao kapa-manta samy manao izay fantany: hery miparitaka herim-po very maina. Na tiana na tsia dia any amin’ny fitantanana no mitodika ny jery, izany hoe any amin’ny mpitondra. Tsy any amin’ireo eo an-toerana ankehitriny ihany akory, maro izy ireo no nifandimby teo, ny vokatra tsy dia misy anefa ny fandrosoana tsy hita ho lazaina hoe nahomby firy. Afaka ho lazaina aza fa fihemorana no tsapa nandritra ny fotoana nitondran’ny sasany tamin’izy ireo. Toy ny filalaovan’ny ankizy bibin-tsaonjo fahiny “tondrontondroy izay…”.

Vitan’ny fanilihina ny rihitra fotsiny any amin’ireo mpitondra ve, dia ho afaka adidy ny vahoaka? Iza no nametraka azy ireo teo amin’ny toerany tamin’ny alàlan’ ny fifidianana? Izany fanontaniana izany no miantefa

amin’ny olom-pirenena tsirairay, na diso safidy na tsy nanefa adidy tamin’ny fandraisana anjara tamina fifidianana. Mitamberina ao an-tsaina indray ny ventson’ny tarika Mahaleo izay mamela hafatra mampitandrina fa maro anie ireo fetsifetsy, izany hoe mpamitapitaka. Ny fandinihina mba ahaizana manavaka ny kary sy ny tavy no adidy voalohany, ny faharoa kosa dia ny fahasahiana mitaky na manery mihitsy aza ny fanefan’izy ireo ny adidiny.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique