Flash
Préc Suiv
Logo Free News

LOZAM-PIARAKODIA TANY ANJOZOROBE : Nahemotra ny 13 jona ny raharaham-pitsarana

Tokony ho notanterahina afakomaly, ny raharaham-pitsarana momba ilay lozam-piarakodia nahatsiravina nahafatesana olona 47, ny 28 janoary lasa teo, tany Anjozorobe. « Ny fianakavian’ireo avy any Ampaneva koa naka mpisolovava. Izany hoe, nanjary roa ny mpisolovava miaro an’ireo olona niharan-doza tamin’iny raharaha iny. Antony nahatonga ny raharaham-pitsarana ho nihemotra amin’ny 13 jona izao », hoy Andrianalinjato Manitra Hasinarivo, ben’ny Tanàna Ambongamarina, tetsy amin’ny Fitsarana Anosy. Nambarany fa misedra fahasahiranana, amin’izao fotoana izao, ireo akanga sisa nanamborana tamin’iny lozam-piarakodia nahatsiravina iny. Tsy mbola mahavita asa izy ireo amin’izao ary vesatra ho an’ny fiarahamonina, satria mpamboly avokoa ny ny lahasan’izy ireo. Na ny fivezivezena miatrika ny fitsarana tahaka izao aza, efa manahirana ireo niharam-boina.  “Tsy misy ny taksiborosy any Ambongamarina, ny saran-dalana amin’ny môtô, mahatratra hatramin’ny 20.000ariary ny olona iray mankeo Anjozorobe, miampy ny saran-dalana 4000 ariary miakatra aty Antananarivo”, hoy hatrany ben’ny Tanàna.

Nahazo fahafahana vonjimaika

Raha ny loharanom-baovao, efa nahazo fahafahana vonjimaika ny tompon’ilay kamiao, nahatonga ny loza, raha mbola notanana am-ponja kosa, ny mpamily izany. Anisan’ny nampitaraina ireo naratra tsy maty tamin’ity lozam-piarakodia nahatsiravina ity ny fikarakarana ny antontan-taratasy tahaka ny « certificat médicale », izay anisan’ny tsy mahafeno ny antontan-taratasin’ny sasany amin’ireo niharam-boina. Miraviravy tanana sy very fanahy mbola velona ny sasany amin’izy ireo. Iray amin’ireny R…, izay namoy ny vadiny sy ny zanany roa, tamin’iny loza iny, ary mbola ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka tsy afa-miasa. Anisan’ny nampitaraina azy ireo ny tsy fisiana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana foibe. Misy amin’ireo niharam-boina no mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA. Ho an’ireo andriambavilanitra tsy misy mpamelona, tena misedra fahasahiranana tanteraka, eny fa na ny saran-dalana iakarana aty an-drenivohitra aza, manahirana azy ireo. Misy ihany ny fandraisana an-tanana tanterahin’ny Kaominina Ambongamarina, saingy tsy mahasahana manontolo ny fanampiana ny niharam-boina rehetra.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.