Flash
Préc Suiv
Logo Free News

KORONTANA TENY ANKATSO : Mpianatra 10 voasambotra, zandary iray naratra

KORONTANA TENY ANKATSO : Mpianatra 10 voasambotra, zandary iray naratra

Mbola nitohy ny sakoroka tetsy Ankatso.

Tsy nihemotra tamin’ny fitakiany ireo mpianatra nigrevy teny Ankatso. Nitohy ny korontana omaly, zandary iray naratra, mpianatra folo voasambotra, saingy navotsotra teo no ho eo ihany…

 Nitohy indray ny fitokonan’ny mpianatra teny anivon’ny Anjerimanontolo Ankatso, omaly. Mbola niverina hatrany ny sakoroka teo anivon’ireo mpianatra sy ny mpitandro filaminana. Mafimafy ny fifandonana ka niafara hatramin’ny fisamborana mpianatra folo ny raharaha. Ankoatr’io, zandary iray no fantatra fa naratra nandritra ny fifanjevoana. Na nisy aza fisamborana, navotsotra teo no ho eo ihany izy ireo, raha ny filazan’ny filohan’ny mpianatra eo anivon’ny Fakiolten’ny Siansa, Solofojaona Valisoa. Raha ny nambaran’ity filohan’ny mpianatra ity hatrany, tokony ho tsy nisy fitokonana teny an-toerana satria niroso tamin’ny fifampidinihina izy ireo, io omaly io. Saingy, tsy fantatra mazava ny antony nahatonga izao fanaingana ny fitokonana izao. “ Solontenan’ny mpianatra eny anivon’ny Anjerimanontolo izahay no mivory miaraka amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, mikaro-bahaolana momba io raharaha io”, hoy izy.

Hanatsahatra ny fitokonana

Raha ny fantatra, nivory niaraka tamin’ireo teo anivon’ny Fampianarana ambony ny solontenan’ny mpianatra eny anivon’ny Anjerimanontolo, teny Mahazoarivo, omaly. Nanomboka, ny maraina tamin’ny 8 ora izany fihaonana izany. Nivoitra tao anatin’ny fifampidinihina fa hovahana ny olana eo amin’ny lafiny “connexion” sy ireo volan’ny mpianatra naloa tany amin’ny masoivoho fitanan-kaonty. “Raha ny mahakasika ny fampiakarana ho 100% ny fampitaovana, halefa eny anivon’ny minisiteran’ny Vola sy ny tetibola izany ka andrasana ny mety ho fivoarany”, hoy Solofojaona Valisoa, solontenan’ny mpianatra. Nambarany fa nisy misy ny taratasy fifanarahana notanterahina teo amin’ny roa tonta. Raha ny tinapaka, omaly, milaza ny hanatsahatra ny fitokonana ireo mpianatra. Andrasana, araka izany, ny fivoaran’ity raharaha ity. Ho fampanantenana poakaty indray sa miendrika famonoana afo fotsiny hampitoniana ireo mpianatra?

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.