Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FIOMBONAMBEN’NY AMPANJAKA : “Manameloka ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna”

Tantely afa-drakotra tanteraka ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Mitontohitra ny fanaovan’ireo tsimatimanota ny fanodinkodinana ny volam-panjakana. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara, tarihin’ny dokotera Rabarioelina Ndriana. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo ary nilaza fa “ manameloka tanteraka ny tsy fanajana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna eto amin’ny firenena”. Hatramin’ny mpikambana eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara mijoro amin’ny fahamarinana aza, izay mampihatra ny tany tan-dalàna sy miezaka mijoro amin’ny fahaleovantenan’ny Fitsarana, nanaovan’ny filankevitry ny governemanta Ramatahora. Nantitranterin’ny fanambarana fa mankasitraka tanteraka ny fandraisana andraikitry ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny fijoroan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara amin’ny fahamarinana izy ireo, indrindra ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tany tan-dalàna. Nampitain’ny fanambarana hatrany fa ireo nanota fady teto amin’ ny firenena dia tsy tokony hanao ny rahaharam-pitondrana intsony eto amin’ny tany sy ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ireo nanao heloka bevava, nangalatra sy nanao kolikoly. Ireo tsy nanaja ny zon’olombelonoa, nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana, nanatanteraka halabato tamin’ny fifidianana. Manosihosy tanteraka sy tsy manaja ny soatoavina maha malagasy. Ireo nandoro ny Rova, na koa nandoro ny fasana mpanjaka sy ny maro hafa… Antenaina mba tsy ho antso anefitra izao fanambaran’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka izao fa tena hisy fiantraikany amin’ireo iantefan’ny hafatra.

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.