Flash
Préc Suiv
Logo Free News

GREVIN’NY MPIANATRA ANKATSO : Nirefodrefotra ny lakrimozenina, olona iray naratra

GREVIN’NY MPIANATRA ANKATSO : Nirefodrefotra ny lakrimozenina, olona iray naratra

Niatrana teny ivelan’ny oniversiten’Ankatso ny Emmo/Reg.

Raikitra indray ny fitokonan’ny mpianatra Ankatso! Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, nirarakompana ny tora-baton’ny mpianatra. Mpandalo iray no fantatra fa naratra nandritra ny fifanjevoana, omaly maraina hatramin’ny mitataovovonana. Nambaran’ny filohan’ny mpianatry ny Fakiolten’ny Siansa, Solofojaona Valisoa, fa efa nanomboka alatsinainy ary nitohy omaly, ny fitokonan’izy ireo. “Hiato kely ny fitokonana amin’ity anio ity, ary hitohy indray izany ny alakamisy, raha tsy mivaly ny fitakianay. Hiezaka hanatona ireo tomponandraikitra eto anivon’ny Oniversite izahay amin’ny maha fihaonan’ny zanaka sy raiamandreny. Mbola hanatevina izao fitokonana izao ny avy amin’ny fakiolte rahavavy tahaka ny avy eo amin’ny Haisoratra, ny Degs ary ny avy eny Vontovorona”, hoy izy. Nantitranteriny fa efa hatramin’ny herinandro izy ireo no nifampiresaka tamin’ny tomponandraikitra, saingy tsy nahafa-po ny valinteny fa ny resaka momba ny fanatanjahantena no hany nahitam-baliny.

Ampiakarina 100% ny fampitaovana

Votoatin’ny fangatahan’ny mpianatra eny anivon’ny Anjerimanontolo ny fampiakarana 100% ny fampitaovana. Ankoatr’izay, ny vola naloan’ireo mpianatra tany amin’ny masoivoho fitanan-kaonty no angatahin’izy ireo hiverina. Tafiditra ao ny resaka vola naloa momba ny resaka “connexion” mitentina 5140 ariary. Tsiahivina fa miisa 30000 mahery ny isan’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo. “Tsy misy mahazo “connexion” maimaimpona akory ny mpianatra ety amin’ny Oniversite. Izany ve no iatrehana ny rafitra LMD? Tsy ahitam-baliny io na niezaka nifampiresaka aza izahay. Manampy io ny sampana miandraikitra ny fahasalamana eny amin’ny Anjerimanontolo, mbola andoavam-bola na efa nisy aza ny vola naloanay. Manampy ireo ny vola aloa amin’ny fidirana eny anivon’ny toerana famakiam-boky”, hoy hatrany ny filohan’ny mpianatra. Manjavozavo tanteraka ny fitantanana ny vola aloan’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite, araka izany. Mahazo laka hatreny amin’ny Oniversite ny fitantanana tsy mangarahara?

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.