Flash
Préc Suiv
Logo Free News

TAPANY

Praiminisitra vaovao

Notendren’i Emmanuel Macron teo amin’ny toeran’ny praiminisitra omaly i Edouard Philippe. Arakan ny fantatra dia ben’ny tanànan’i Havre teo aloha ity lasa praiminisitra frantsay vaovao ity. 46 taona izy amin’izao fotoana izao ary ao mpikambana ao anatin’ny antoko sosialista izy teo aloha ary izao niaraka tamin’ny filoha Emmanuel Macron izao. Andrasana manaraka indray araka izany ny fanaganana ny governemanta any an-toerana sy ny fifidianana solombavam-bahoaka amin’ny volana jiona ho avy izao.

Fakana an-keriny

Mbola tsy fantatra hatramin’izao fotoana izao ny toerana nitondran’ireo mpaka an-keriny ilay tovolahy karana zanaka mpandraharaha nalain’izy ireo ny alahady lasa teo. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mikasika ity fakana an-keriny ity. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly kosa amin’izao fotoana izao ilay polisy notifirin’ireo olon-dratsy ireo.

Les commentaires sont fermées.