Flash
Préc Suiv

Maro ny tsena hikatona… : mety ho tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny henan’omby

Nanambara ireo mpivaro-kena eto an-dRenivohitra fa atsy ho atsy (tsy ho ela), mety ho tafakatra hatrany amin’ny 20.000 Ar ny kilaon’ny henan’omby. Vokatry ny disadisa eo amin’ny zandary sy ireo mpandraharan’ny omby, izay nilaza hanakatona ireo tsenan’omby lehibe maro manerana ny Nosy, ny anton’izany.

 

Lasa sorona ny mpanjifa! Mitohy ny fihenjanan’ny tady eo amin’ny mpandraharaha isan-tsokajiny amin’ny omby sy ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny. Ny herinandro lasa teo, nilaza ny kaoperativa Madaomby, ivondronan’ireo mpandraharaha amin’ny omby, fa hatsahatra ny famatsiana henan’omby ny eto Antananarivo. Tsy niandry ela, nanamafy izany koa, ny asabotsy 13 mey teo, tany Tsiroanomandidy, ny fikambanan’ny mpiompy sy ny  ”mpihary”(mpandroaka) omby, fa hakatona avokoa mandritra ny fotoana tsy voafetra, ny tsenan’omby rehetra any amin’ireo toerana fivarotana lehibe eto amin’ny Nosy, anisan’izany ny any Tsiroanomandidy, Mahitsy Ampanotokana, Mandoto, Fianarantsoa, Ambalavao, Arivonimamo, sns. Antony, ny kolikoly amin’ny zandary sy ny delegem-panjakana, ka vahaolana naroson’izy ireo ny hamerenana amin’ny prefe ny fitantanana ny taratasin’omby samihafa.

Vidian’ny Sinoa

Midika izany fa tsy hisy intsony ny famatsiana henan’omby any amin’ny toerana rehetra vatsin’ireo tsena ireo. Mahatsapa sy mahafantatra tsara ny voka-dratsin’izany ireo mpivaro-kena mpaninjara mifandray mivantana amin’ny mpanjifa. Nilaza i R. F, mpivaro-kena eny Amboditsiry, fa tena hanahirana ary hiteraka zava-doza io fibodoan’ny mpandraharaha amin’ny omby, tsy hamatsy ny tsena io. Afaka herinandro vitsy, mety ho tonga hatrany amin’ny 20.000 Ar ny kilaon’ny henan’omby, raha manodidina ny 10.000 Ar ny vidiny ankehitriny.

Nambarany koa fa misy politika avo lenta ao ambadik’izao raharaha izao, ary manararaotra ireo mpandraharaha amin’ny omby. Mpanelanelana ireo, vidiany mora ny omby any amin’ny tena tompony, satria manodidina ny 4 hetsy hatramin’ny 5 hetsy Ar ny ividianany omby iray. Ambony be anefa ny tinady satria mety horaisin’ny Sinoa hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ar ny omby iray, ary iaraha-mahalala fa omby maherin’ny 60 isan’andro ny miditra eny amin’ny abatoara sinoa eny Vontovorona. Efa miondrana any Sina avokoa ny henan’omby, hatrany amin’ny tandrony mihitsy aza.

Mety mahita izany halafosan’ny omby izany ny tompon’andraikitra samihafa ka izay no mahatonga ny kolikoly vao mainka miaka-bidy koa.

Toy ny volamena sy ny sokatra

Fehiny, mizaka ny vokany amin’ny fifampiraharahana eo amin’ny samy mpanao bizina omby ny mpanjifa malagasy madinika, ka lasa sorona, hizaka ny vidiny eo amin’ny fifandanjan’ny tolotra sy ny tinady. Efa hita izany amin’ny lalam-pihariana volamena, satria efa tafakatra 100.000 Ar ny kilaon’ny grama ankehitriny, hatramin’ny nisian’ny trafika birikim-bolamena any ivelany. Hanamarinana izany, ny hamaroan’ny mpanelanelana tsy manara-penitra, toy ny etsy Analakely, tsy mety foana. Fantatry ny maro anefa, fa olom-baventy mpanam-bola no maniraka azy ireo, ary iaraha-mahita ireny vitsivitsy, sendra tratra ireny, na eny Ivato, na eny ivelany, toy ny sokatra ihany.

Randria

(Tahirin-tsary)

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique