Flash
Préc Suiv
Logo Free News

HAINO AMAN-JERY : Raikitra ny fanangonan-tsonia hanokafana ny Free Tv

Roso ka tsa mipody koa! Nanomboka, omaly, tety amin’ny foiben’ny Free FM, 104.2, Pradon Antanimena, ny fanangonan-tsonia hangatahana ny fanokafana ny Free Tv. Anisan’ny lahateny nambaran’ny Tale jeneralin’ny Vondrona Free, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo tao anatin’ny kabariny tamin’ny fankalazana ny faha-6 taonan’ny Free FM io, tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina. Ny olom-pirenena rehetra dia manan-jo hahalala vaovao amin’ny fomba rehetra ary antitranterin’ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ny lalàmpanorenana izany. Votoatin’io fanangonan-tsonia io ny mba hanomezan’ny sampana miandraikitra ny serasera amin’ny haino aman-jery na ny “Commission Spéciale à la communication audiovisuelle (CSCA), eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera ny “avis de non-objection”, na teny tsy fandavana, ahafahan’ny Free Tv mahazo ny maridrefy hisokafany.

Vonona ny hanaja ny bokin’andraikitra

Raha ny fantatra, efa nisy ny fampanantenana nataon’ny minisitry ny Serasera, Reboza Cyrille sy Andrianjato Vonison Razafindambo, tamin’ny fotoan’androny, ny amin’ny amoahana io teny tsy fandavana io ho an’ny fahitalavitra Free Tv. Saingy kobaka am-bava fotsiny ihany izany. Efa nisy rahateo ny dingana notanterahina sy fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny vondrona Free sy ny jeneraly Ravelonarivo Jean, Praiminisitra teo aloha, saingy tsy maty afoy no tsy velon-kantenaina ireo dingana rehetra natao. Antenaina amin’izao minisitra vaovao eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera izao, ny hisian’ny valinteny mahafatrapo ny amin’ny hahazoana ny “avis de non-objection”, mba hahazoan’ny Free Tv maridrefy. Ny mpiandraikitra ity fahitalavitra ity rahateo vonona hanaja tanteraka ny bokin’andraikitra. Entanina hatrany isika olom-pirenena izay maniry ny hisokafan’ny Free Tv, ho tonga hanatontosa ny fanangonan-tsonia ety amin’ny foiben’ny Free FM, Pradon Antanimena, manomboka ny maraina amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva, ora fiasana.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.