Flash
Préc Suiv
Logo Free News

ASAN-JIOLAHY : Mila hamafisina ny fitandroana ny fandriampahalemana

Nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny Toby Ankadilalana ireo vaomieran’ny fandriampahalemana manerana an’Antananarivo renivohitra, niaraka tamin’ny sefo distrika enina manerana ny renivohitra, notronin’ny avy ao amin’ny Faritra sy ny avy amin’ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa tsy mandry fahalemana ny vahoaka noho ny hafitsoky ny asan-jiolahy. Manjaka ny asa fanendahana sy ny sinto-mahery. Manao ny ataony ireo mpanao halaboty, tahaka ny fangalarana bateria niseho teny amin’ny Rocade, vahilava iny. « Ny mpitandro filaminana sy ny Vaomieran’ny fandriampahalemana eny anivon’ny fokontany, vitsy dia vitsy, raha oharina eny anivon’ny vahoaka », hoy Randrianindriana Henri Rachel, solontenan’ny avy amin’ny Faritra Analamanga.

Noho izany, mila mandray andraikitra ny tsirairay avy, raha ny fanampim-panazavany. Mila arindra izay fiaraha-miasa izay, satria ireo vaomieran’ny fandriamapahalemana ireo no hiasa mafy eny ifotony. Tsy vitan’izay, mila hatsaraina koa ny fiaraha-miasa satria izy ireo no mahalala ireo mpanendaka sy mpanao halaboty eny amin’ny fokontany eny. Samy nomena ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’io ny eo anivon’ny Faritra Analamanga, amin’ny fampitaovana. Manampy ireo, hohamafisina ny fiambenana amin’ny alina sy ny andraikitry ny mpitandro filaminana. Anisan’ny fepetra noraisin’izy ireo nandritra ny fivoriana tetsy amin’ny tobin’ny zandarimaria tetsy Ankadilalana io, mba hampandry fahalemana ny vahoaka.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.