Flash
Préc Suiv
Logo Free News

TONTOLON’NY HAINO AMAN-JERY : Nodimandry omaly Ratsimandresy Nicolas

Marobe no nangaina sy diso fanantenana momba ity fanovana governemanta ity.

Misaona ny tontolon’ny haino aman-jery sy ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao. Namoy ny ainy, teo amin’ny faha-68 taonany, omaly Ratsimandresy Nicolas, mpiasa teo anivon’ny fahitalavi-panjakana TVM, nisongadina indrindra tamin’ izany ny fandaharana Mbarakaly sy Tselatra. Raha tsiahivina, efa nitana ny toeran’ny tale jeneralin’ny Televizionina Malagasy ity olona namoy ainy ity. Tamin’ny maha-mpamokatra fandaharana ara-kolotsaina azy dia mpanakanto maro no efa nifanerasera taminy tao amin’ny birao fantatry ny rehetra amin’ny hoe « 112 ». Tampoka ho an’ny rehetra ny fandrenesana ity vaovao mampalahelo ity omaly. Izahay eto amin’ny gazety sy ny onjam-peo Free News/Free FM dia mirary fiononana feno hoan’ny fianakaviany iray manontolo.

Ny Fanoratana

Les commentaires sont fermées.