Flash
Préc Suiv

“Open de Tennis Cnaps Sport” : hiady vola 1 tapitrisa Ar ny ho voalohany

Nanomboka omaly alakamisy ary haharitra hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fifaninanana “Open de Tennis”, karakarain’ny Cnaps Sport. Tanterahina, eny amin’ny Centre complexe sportif eny Vontovorona izany fihaonana izany.

Mandray anjara amin’izany, ireo sokajy lehilahy sy vehivavy, efa manana lazany sy ny fahaizany.

Homena lelavola 1 tapitrisa Ar avy amin’ny mpanohana ny mpandresy eo amin’ny lehilahy ary 600.000 Ar kosa ny tompondakan’ny vehivavy. “Tableau de 32” ny eo amin’ny lehilahy ary “Tableau de 16” kosa ny vehivavy. Izay no hitondrana ny fifaninanana, raha ny nambaran-dRafolomanantsiatosika Ravalitera.

Nambaran’Andriantsalama Manan’Iala, “directeur coach” ny sampana tenisy eo anivon’ny Cnaps fa tanjon’ny fifaninanana ny hahazoan’ireo mpilalao traikefa ary hampilalao ireo mpankafy, hisian’ny fifankahalalana sy fifampizarana traikefa.

Mitovy vina amin’ny ligy ny Cnaps

Marihina fa anisan’ny mpikarakara ny hetsika ny “Mutuelle” izay toy ny mpirahalahy mianala amin’ny Cnaps Sport. Notsiahivina fa  efa 30 taona ny nisian’ny sampana tenisy teo anivon’ny Cnaps ary efa namoaka mpilalao maro sy mpanazatra ka efa mipetraka any andafy ny sasany.  Miara-miasa amin’ny Cnaps, amin’ity hetsika ity ny ligin’Analamanga ka  nambaran’ny filohany, Ravoniandro Riana, fa mitovy amin’ny vinan’ny ligy ny ataon’ny Cnaps, mivoy ny fanabeazana. Nomarihiny fa tsy tokony hanova ny fitsipi-dalao ny Cnaps amin’ny fanatontosana ny fifaninanana, mba tsy hampiroaroa ireo mpilalao.

Tsiahivina fa anisan’ny manohana ity hetsika ity ny BMOI sy ny orange…

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.