Flash
Préc Suiv

Filankevi-panjakana : nankatoavina ho HCDDED i Imbiki Anaclet

Nankatoavin’ny Filankevi-panjakana ny maha ara-dalàna ny fifidianan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fiarovana ny zon’olombelona (CNIDH) izay ho solontenany eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED).

Raha tsiahivina, vita tamin’ny 27 janoary 2017 ny fifidianana nataon’ny CNIDH ny  mpikambana avy aminy ho ao amin’ny HCDDED. Voafidy tamin’ny vato 8 amin’ny 9 ny mpahay lalàna, Imbiki Anaclet, raha tsy nahazo vato afa-tsy iray ny mpifaninana taminy, Ramamonjisoa Huguette.

Nalefa teny amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny 2 febroary, ny fitantana an-tsoratra tamin’ny fifidianana. Nefa tsy nisy ny famoahana didim-panjakana ny amin’izany. Mbola nangatahin’ny governemanta fanazavana amin’ny Filankevi-panjakana ny amin’ny fomba fifidianana.

Tombanan’ny mpandinika sasany fa anisan’ny mahatonga ny filana kisa nataon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hisian’ny mpikambana avy amin’ny HCDDED ho ao amin’ny Fitsarana avo (HCJ) hitsara ny mpitondra ambony. Tafiditra ao anatin’ny paipaika sy kajikajy politika ny raharaha?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.