Flash
Préc Suiv

Fahadisoam-panantenana… efa nampoizina

Fahadisoam-panantenana sa efa nampoizina ? Izay ny fanontaniana mipetraka, raha ny vaovao sy ny zava-nitranga tao anatin’ny 24 ora. Sady fahadisoam-panantenana no efa nampoizina ny niondrehan’ny « Makis » kely, teo anatrehan’ny Goliata namibianina, tetsy Mahamasina, omaly, eo amin’ny manasa-dalan’ny amboaran’ny “Can U-20”, taranja rugby. Aiza Rangahy ka 7 noho 66 no nisarahan’ny roa tonta. Mavesatra dia mavesatra izany. Misy mbola hantenaina ihany ve ny tohiny ? Sarotra inoana ! Diso fanantenana ny mpitia baolina lavalava, omaly, satria mba teto amin’ny tanin’ny tena ihany ny nilalaovana. Efa nampoizina koa anefa raha ny fahitana ny haben’ireo mpilalao namibianina. Goliata ! Tsy nandaitra ny tsodranon’ny fitondram-panjakana, omaly maraina : “Tsy ny fandraisana anjara no zava-dehibe, fa ny fibatana fandresena”, hoy ny praminisitra, teny Mahazoarivo, raha nandray ny mpilalaon’ny Makis. Ny fanatanjahantena malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy no sadasada manan-tsoratra. Endriky ny tsy fanjarian’ny fitondrana amin’ny ankapobeny mihitsy koa izany, raha tsorina e!

Fa tsy vitsy koa ireo diso fanantenana, nivanaka, ketraka… raha nahare ilay vaovao avy eny an-dapan’Iavoloha, omaly tolakandro. Ilay fanovana ny ampahany amin’ny governemanta e! Indreo fa mbola voatana amin’ny toerany daholo ihany ireo minisitra nahabe resaka tato ho ato, tamin’ny raharaha nafanafana farany teo: ny “Raharaha Claudine”. Anisan’izany ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Fahasalamana, ny minisitry ny Atitany… Voatendry hiverina amin’ny toerany “ilay iraikalahy taloha” tamin’ny andron’ny tetezamita, nitsipa-doha laka-nitana, namadika palitao ka tonga mpiandany amin’izao fitondrana ankehitriny izao. Sady fahadisoam-panantenana izany no efa nampoizina ihany koa ho an’ny mpanara-baovao.Toa karazan’ny voatery fotsiny ihany ny filoham-pirenena raha nanao iny fanamboarana iny, nanoloana ny fanakianana nivaivay nirarakompana tato ho ato. Efa nampoizina avokoa izany. Toa ireo raharaha lehibe nitana ny sain’ny maro nampatoriana, nodiana fanina (kolikoly, halatra sy trafika, fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena…).

Mamy Randrian

 

Les commentaires sont fermées.