Flash
Préc Suiv

EPP Behenjy Centre : nihena ireo afaka CEPE

« Nihena ho 30 % ny taham-pahafahana CEPE nandritra ny taon-dasa ho an’ny EPP Behenjy Centre », hoy ny talen-tsekoly Razafiarivelo Jeanine. Antony voalohany nitarika izany ny fampiasana indray ny Approche par objectif  (PPO) hitondrana ny fampianarana raha Approche par la compétence no nampiharina tao anatin’ny taona maromaro. « Ny PPO efa nampiasaina taloha izao naverina izao indray, ka sahirana ny mpianatra tao amin’ny 8ème nifindra 7ème ary niatrika CEPE ny taona 2016. Niova tampoka ho PPO indray ny fomba nitondrana ny fampianarana izay sarotra kokoa na ny fitsarana ny laza adina aza hafa mihitsy », hoy ity tale ity. Tsapany fa io no niteraka ny fidinan’ny taham-pahafahana ho an’ny sekoly iandraiketany.

Nilaza koa ny tale fa tsy ampy ny efitrano fianarana satria enina monja. Mifandimby mianatra  ny mpianatra. Noho ny fahalaviran’ny toeram-ponenan’ny mpianatra sasany izay monina any amin’ny 4 km, tapak’andro maraina ihany no mianatra, manomboka amin’ny 7ora sasany  hatramin’ny 12 ora atoandro. Ampy hamitana ny fandaharam-pianarana ny tapak’andro, hoy ny fanazavany. 100 ireo hiatrika ny fanadinana CEPE amin’ity taona ity. 397 ny mpianatra rehetra hatramin’ny préscolaire, 10 ny mpanabe ka efatra mpiasam-panjakana. Karamaina 100 000 Ar isan-taona ny mpampianatra Fram enina, ankoatra ny fanampin-karama omen’ny fanjakana izay tara lava. 12 000 Ar ny latsakembka takina amin’ny ray aman-dreny isaky ny fiandohan’ny taom-pianarana ary maharaka ny fandaniana rehetra izany hatreto.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.