Flash
Préc Suiv

Zaka tsara : tsy afa-bela amin’izao…

Tsy hita be ihany izay tohin’ny « Raharaha Raizamamonjy Claudine« . Misy ny manahy fa ho vitavita sy tsy hitahita ho azy. Toy ny « Raharaha fakana an-keriny tany » Toamasina; ny baomba nipoaka teny Mahamasina, ny 26 jona; ny « Raharaha Anjozorobe« … Eny, na momba  an’i Soamahamanina, ny mpitsara Rehavana Michel, ny fandoroan’ny polisy 42 tanàna tany Antsakabary…

Ho vitavita ho azy koa ny fitsaram-bahoaka fa tsy hita izay tena vahaolana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahantram-bahoaka, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fisian’ny asa… Eo koa ny harem-pirenena gaboraraka, ny fivarotan-tanindrazana… Hadinodino na very ho azy amin’ny « Raharaha Raizamamonjy Claudine » avokoa izany rehetra izany?

Raha tsy izany, hisantatra ny be mbola ho avy amin’ireo raharaha miandry sy takina amin’ny mpitondra io? Be lavitra ny miafina noho izay miseho, ny tsy vita noho ny natao, ny maningotra noho ny manafaka… tsy mahafa-bela?

R. Nd.

 




Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique