Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : ahiahy tsy mitombina

Zatovo roa vao erotrerony azo lazaina tena ao anatin’ny fahatanorana sady feno fahatanjahana no nifandimby niharan’

ny fahafatesana andro iray, nifanao maraina sy tolak’andro tao amin’ny sehatra iombonana eo am-pisedrana taranja nitovizana. Zava-doza mampalahelo no mahalasa eritreritra. Tany Ambositra teo am-panaovana ny hazakazaka takina amin’ny fifaninanana hidirana ho zandary no nifanesy nitranga ireo loza ireo. Tsy vitan’ny fandalovan’ny fanontanina ao an-tsaina fotsiny fa nisy misy ny fanehoana ahiahy roa samy hafa. Sao kosa diso henjana ny sedra toy ny tolona tsy omby tratra takina amin’ireo mpifaninana ? Moa ve nisy fizahana mialoha mikasika ny toe-pahasalama antoky ny fahazakan’ny toe-batana an’ireo karazana taranja natao hitsapana ny hery sy tanjaka entina anefana ny andraikitra miandry amin’ny maha zandary ? Sa ve sanatria rehefa nitranga ny loza dia nitavozavoza ny vonjy fanavotana aina ?

Mazava daholo ireo valinteny heno afaka amafana tsirairay ireo ahiahy izay miseho ara-drariny rehefa mihatra ny loza toy izao. Tsy ampahafirin’ny ezaka atao andavan’andro eo am-panatanterahana karazan-javatra maro ny ezaka ilaina amin’ny hazakazaka 1.000 metatra na mihoatra. Anisan’ny taratasy ilaina ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana ny fanomezana alàlana hiatrika sedra avy amin’ny dokotera nanao fizahana ny toe-batana. Teny amoron’ny kianja fanantanjahantena nanaovana an’ireo taranja fitsapana dia nis hatrany ny dokotera. Patsa iray tsy omby vava rehefa mitranga ny loza ary azo heverina fa tranga nifanandrify ity fisesisen’ireo loza mitovy indroa miantaona teo amin’ny sehatra iray ary toy ny sendrasendra nifamotoana andro iray.

Efa matetika no nitranga ny loza tampoka tsy nampoizina toy izao teny ambonin’ny kianja fanatanjahantena (mazàna noho ny rupture d’anévrisme araky ny filazan’ny mpahay). Ary raha misy ny avotra tamin’ireo niharan’ny fijanonan’ny fo tampotampoka teo am-panaovana ezaka ara-batana dia noho ny fisiana akaikin’ilay fitaovana teknika atao hoe “défébrilisateur”. Any ivelany mitombo an’isa izany fitaovana izany antomotry ny mpanao vonjy taitra. Tsy mbola eo amin’ny fari-piainana toy izany ny eto an-toerana ahafahana ka hiazakazaka angorona fitaovana entina amonjena maika ny olona tratry ny tampoka. Ny maha hamehana alohan’izany angamba dia ny fametrahana rafitra famoahana avy ao anaty hety an’ireo mponina maro miatrika isan’andro loza mitatao aminy hatry ny ela na noho ny aretina na noho ny tsy fahampiana.

Léo Raz

 




Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique