Flash
Préc Suiv

Hetsika Rohy, Vovonan’ny sendikà : “Tokony henjehina izay nampitsoaka an’i Claudine”

Hetsika Rohy, Vovonan’ny sendikà : “Tokony henjehina izay nampitsoaka an’i Claudine”

Efa niteny ny amerikanina sy ny Frantsay. Miala any koa ny Rohy sy ny vovonan’ny sendikà (SSM) maromaro. Samy mitaky ny fanadihadiana lalina momba ny “Raharaha Razaimamonjy Claudine” avokoa izy ireo.

Io fa niitatra ny raharaha rehefa nanao bemarenina ny fitondrana. “Tokony hisy fanadihadiana sy fanenjehana araka ny lalàna ho an’ireo namoaka ny voampanga nosaronana amin’ny endrika fitsaboana any ivelany tao anaty fandikan-dalàna. Efa nisy didy fandrarana aza tsy hivoaka any ivelany”, hoy ny firaisamonina sivily maromaro, omaly. Tsy afa-bela amin’izany ny minisiteran’ny Atitany sy ny eo anivon’ny polisim-pirenena, araka ny fanambarana. Takian’izy ireo koa ny fametraham-pialan’ireo tompon’andraikitra ambony nanao hadisoana bevava teo imason’ny vahoaka sy ny iraisam-pirenena amin’ny fanaovana fanambarana tsy tonga volana, hanelingelenana ny asan’ny fitsarana na nanome alalana ny voampanga hivoaka any ivelany. “Raha tsy izany, tokony hoesorin’ny fanjakana haingana amin’ny toerany izy ireo hanehoany ny tsy fanekeny ny fanakorontanana sy firaisana tsikombakomba amin’ny olona tsy mahafehy ny andraikiny”, hoy izy ireo.

Ankoatra izany, nambaran’ny firaisamonina sivily fa tokony hisy fanarahana akaiky ny fivoaran’ny “Raharaha Claudine” na aiza misy azy na aiza, araka ny fanambarana ihany. “Eo ireo fepetra araka ny lalàna sy ny ara-teknika. Ny ara-diplaomasia, ahafahana mamerina azy haingana an-tanindrazana rehefa vita ny fitiliana ara-pahasalamana natao taminy”, hoy ny fanambarana.

Narangarangan’ny firaisamonina sivily koa fa tsy hanaiky ny fandrahonana na fitsabahana sy tsindry manelingelina ny fahaleovantenan’ny rafi-pitsarana izy ireo. “Tohananay ny fahasahiany naneho sy nametraka ny  heviny mba hamerenana indray ny fifampitokisana amin’ny vahoaka. Tsy hihemotra sy hangina izahay raha misy fanapahan-kevitra jadona sy tsy ara-dalàna atao amin’ny tompon’andraikitry ny Bianco sy ny fitsarana mba hanakanana azy ireo,  tsy hanao ny asany”, hoy ihany izy ireo. Takian’ny firaisamonina sivily koa ny hanajana ny fisarahan’ny fahefana mpanantanteraka sy ny fahefana mpitsara mba hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka ny rafi-pitsarana.

Mitaky ny hampodiana an’i Claudine

Nipoitra koa ny Vovonana firaisankinan’ny sendikà (SSM). “Mitaky izahay ny handraisan’ny governemanta fanapahan-kevitra hampodiana ny olona nitsoaka tsy mety ho tanana am-ponja vonjimaika, ka angatahina izany amin’ny fitondrana  maorisianina”, hoy izy ireo tetsy Anosy, omaly. Notakin’ireto sendikà ireto koa ny hanenjehana sy hampiharana ny lalàna amin’ireo olona nitarika korontana sy fikomiana teny amin’ny Bianco. “Tohananay ny ezaka ataon’ny Bianco sy ny SMM… Takinay koa ny hanenjehana ireo nandika lalàna rehetra na inona andraikiny na inona. Takina ny fanadihadiana momba io fampitsoahana olona voatana am-ponja vonjimaika io, ka hitondrana ireo rehetra nanao hadisoana eo anoloan’ny fitsarana”, hoy ihany ny SSM.

Midika izany fa maro ireo mitaky ny marina rehetra sy ny hampodiana an-dRazaimamonjy Claudine eto an-tanindrazana hanohizana ny raharaha momba azy…Ny fitondram-panjakana ankapobeny mihitsy anefa minia mangina sy tsy te-halala… Inona ny ao ambadik’izany ?

Synèse R.

  Navoakan’ny gazety “Le Mauricien” omaly, fa tsy manana vaovao ofisialy momba ny fahatongavan’ity tandapa ity any an-toerana ny mpitondra maorisianina. Na izany aza, manaraka akaiky ny raharaha izy ireo. “Mifandray amin’ny ambasadin’i Maorisy any Madagasikara izahay ary koa ny ambasadin’i Madagasikara aty Maorisy”, hoy ny governemanta any an-toerana. Tsy azo an-telefaonina koa ny mpirakidraharaha malagasy, Rasamizafy Mija, any Maorisy, araka ny nambaran’ity gazety ity ihany. Nambaran’ny RFI kosa fa tsy mahalala ny momba io raharaha io ny polisy maorisianina. Tsy nisy rahateo toromarika avy amin’ny mpitondra malagasy momba izany.

Les commentaires sont fermées.