Flash
Préc Suiv

Fivoriana tany Soazilandy : irahin’ny Sadc hamaha ady an-trano any RDC ny filoha

Fivoriana tany Soazilandy : irahin’ny Sadc hamaha ady an-trano any RDC ny filoha

Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc natao tatsy Soazilandy ny faran’ny herinandro teo, ny famahana ireo krizy sy ady an-trano eo anivon’ireo firenena mpikambana amin’ity vondrona ara-toekarena ity. Niraisan’ireo mpivory hevitra ny tokony hanelanelanan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny filoha Rajaonarimampianina ny ady an-trano atsy RDC Congo. Antony anirahana azy ny maha filohan’ny Vondron-tany miteny frantsay (OIF) ny filoha Rajaonarimampianina. Mpikamban’ny Frankofonia kosa ny RDC. Anisan’ny tranga miseho any RDC ny vono olona faobe sy ny fifandonana eo amin’ireo milisy mitam-piadiana sy ny miaramila. Eo koa ny fizirizirian’ny filoha, Kabila, mbola hikiribiby hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena, hiditra amin’ny fe-potoam-piasana fahatelo.

Ankoatra izany, krizy hafa koa ny any Lesotho. Lasa nilefa nanao sesitany politika ny tenany  any ivelany ny praiminisitr’io firenen’ny Sadc iray io. Tsiahivina fa nisy ny fihaonan’ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny minisitry ny Fiarovana angoley, Joao Manuel Gonçalves sy ny mpanjanak’i Soazilandy, Mswati III, nialoha ny niverenany an-tanindrazana, omaly maraina teny Ivato.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.