Flash
Préc Suiv

Boky tantara foronina : namoaka ny « Angentsan’olombelona » Ratsifa

Boky voalohany amin’ny tantara foronina mirakitra ny sanganasan-dRatsifa. Nampahafantarina, ny asabotsy teo tetsy amin’ny efitrano Gisèle Rabesahala Tranombokim-pirenena Anosy, ny fivoahan’ny boky « Angentsan’olombelona » mirakitra tantara foronina nosoratan-dRatsifa. Tantaram-pitiavana izy io, raha ny fanazavan’ny mpanoratra. « Fomba fambaboan’ny lehilahy ny vehivavy tiany ho azo », hoy Ratsifa.  Nambarany fa tsy tantara niainany akory ny « Angentsan’olombelona ». Na izany aza, tantara misy eny anivon’ny fiarahamonina no nasiana asa famoronana hananany endrika kanto sy tsara.

Fantatra fa hirona kokoa any amin’ny fanoratana tantara foronina ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity ato ho ato. « Aingam-panahy efa manosika izy io ka tsy azo lavina », hoy izy. Nomarihiny ihany koa anefa fa tena tsy ampy ny mpanoratra tantara foronina eto Madagasikara.

Tao anatin’ny 15 taona, 300 eo ho eo ny tononkalo nosoratany. 10 taona kosa ny naha mpikambana Faribolana Sandratra azy.

HaRy Razafindrakoto /Sary : Fanou




Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique