Flash
Préc Suiv

Centre d’immatriculation d’Ambohidahy (CIM) : sarona ny tambajotra mpanao kolikoly,telo naiditra am-ponja

Rava ny tambajotra mpanao kolikoly sy mpanao hosoka tao amin’ny Centre d’immatriculation d’Ambohidahy (CIM). Olona 11, saiky tompon’andraikitra tao amin’ity foibe mpikarakara ny fanomezana permis sy carte grise biomètrique ity no nosamborina, nanaovana fanadihadiana, ary natolotra ny mpitsara mpanao famotorana teny amin’ny Chaîne penal anti-corruption, 67 ha, omaly. Naiditra am-ponja vonjimaika ny telo amin’ireo, omaly ihany.

Efa hatry ny ela no nampiahiahy ny maro ny amin’ny mety ho fisian’ny kolikoly tao amin’ity foibe mpanome sy mpikarakara fahazoan-dalana mitondra fiarakodia (permis de conduire) sy carte grise, etsy Ambohidahy, ity. Izao, vaky am-batolampy ny nafenina, ary nitombina tokoa ny fisian’izany. Araka izany, taorian’ny fitarainana maro sy zavatra mampiahiahy samihafa, voarain’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), niroso tamin’ny fanadihadiana sy fakam-baovao tamin’ny fomba maro izy ireo. Narahi-maso akaiky tamin’ny fomba miafina ny fombafomba fanaon’ireo olona nahiahina tao anatin’ity tambajotra ity.

Nisy, araka izany, ny fanadihadiana sy fakana am-bavany, narahina fisavana nataon’ny Bianco. Nisy mihitsy aza ireo olona tsy maintsy notazonina (garde à vue) avy hatrany, ahazoana miditra lalindalina kokoa amin’ny fanadihadiana.

Kolikoly, hosoka, fampiasana hosoka…

Vokany, fantatra teo tokoa ny fisian’ilay tambajotra mpanao kolikoly, mpanao hosoka sy mpampiasa hosoka. 11 ny isan’ireo nosamborin’ny  Bianco tamin’izany, ka voalaza fa saika tompon’andraikitra ao amin’ity Centre d’immatriculation d’Ambohidahy ity avokoa izy ireo.

Nanakatona ny fanadihadiana sy famotorana nataony ny Bianco tamin’ity herinandro ity. Natolotr’izy ireo teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha momba ny kolikoly (Chaîne penal anti-corruption), 67 ha, omaly, ny raharaha sy ireo antontan-taratasy momba izany ary ireo olona 11 voarohirohy. Omaly tolakandro ihany, fantatra taorian’izany fakana am-bavany nataon’ny mpitsara mpanao famotorana izany fa olona roa no naiditra am-ponja vonjimaika (MD). Raha tsy misy ny fiovana, hiakatra fitsarana ity raharaha ity, ny zoma 7 avrily izao no

M.R.

 




Les commentaires sont fermées.