Flash
Préc Suiv

Tarika Miandry : omena lanja ny feo sy ny gitara

Asongadina ny hakanton’ny feo ananan’izy valo mirahalahy. Tsy izay irery anefa fa haingoana amin’ny feon-gitara lalaovina amin’ny fomba fitendry « folksong » izany. Efa hatrany amin’ny taona 2008 niforonan’ny tarika Miandry no navoitran’ireo mpikambana ao anatiny izany. Hafatra  mafonja tovozina avy amin’ireo trangam-piarahamonina tojo azy ireo etsy sy eroa kosa ilay voarakitra anaty tononkira. Havadika ho vatsy hamakivakiana ny fiainana izany, raha ny fanazavana nomen’ny mpikambana ao anatin’ny tarika Miandry. Na izany aza, amin’ny maha mbola samy tanora, mibahana ny resa-pitiavana. Anisan’ireny ny vazo mitondra ny lohateny « Tsy anjara » izay efa heno alefan’ireo haino aman-jery misy eto an-toerana.

Hamoaka rakipeo

Eo am-piketrehana rakipeo voalohany, ankehitriny, ity tarika ity mba hahafahan’ny olon-drehetra manjifa ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny famolahana ny tadim-peo sy ny fandrangotana ny tadin-gitara hanome vazo kanto. Nomarihin’ny mpikambana ao amin’ny tarika Miandry rahateo fa sahaza ny rehetra ny kanto ataon’izy ireo. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampiroboroboana ny mozika ny tarika.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.