Flash
Préc Suiv

Fikambanana Fitohasina : « Famitranam-pihavanana ny taom-baovao Malagasy »

Hankalazaina ny 28 marsa izao ny taom-baovao Malagasy. Homarihina etsy  Mahamasina izany. Nitondra fanazavana momba izany ny anisan’ny mpikarakara ny hetsika.

Famitranam-pihavanana ho an’ny firenena ka hampisy firaisankina tanteraka ny Malagasy ho hery enti-mampandroso ny firenena ny taom-baovao malagasy.  Fanarenana ny hasina, tsy nipetraka araka ny tokony ho izy eo amin’ny firenena koa. Toy ny ota fady maro samihafa, ny tsy nety rehetra teto…”, hoy ny avy amin’ny fikambanana Fitohasina, anisan’ny mikarakara ny taom-baovao malagasy.  Nohamafisiny fa fitsofan-drano sy fifampirarian-tsoa ary fanolorana  jaka, hena manitra, nofon-kena mitam-pihavanana sy mari-pahatsiarovana hifanaovan’ny zanaka sy ray aman-dreny ny tonon-taona tahaka izao. “Fomba efa nolovaintsika taranaka tamin’ireo razantsika izany ”, hoy ihany izy. Hankalaza izany amin’ny  fomba manetriketrika isika, hotronon’ireo olobe, ampanjaka, tangalamena sy ireo mpitana ny maha-Malagasy avy amin’ny faritra. Manomboka ny 25, 26, 27, ary ny 28 marsa ny taom-baovao. Hatao etsy Mahamasina izany amin’ny maha toerana manana ny hasiny sy ny tantarany manokana, mampiavaka azy eto amin’ny firenena. Hamerenana indray ny lanonanam-pankalazana, araka ny nambarany ihany.

Tsiahivina fa ny 28 marsa 2017 amin’ny  5h 58mn ora eto amintsika fa amin’ny 2h 58mn amin’ny ora iraisam-pirenana no mifanitsy ao amin’ny antokom-bintana alahamady ny volana sy ny masoandro raha jerena avy aty an-tany. Voamarina amin’ny  “ephemeride” iraisam-pirenena, ampiasain’ny mpanandro rehetra maneran-tany  izany. Andro voalohany amin’ny  volana voalohany amin’ny  taona,  izany hoe vava alahamady ny taom-baovaontsika.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.