Flash
Préc Suiv

Fanamelohana higadra herintaona an-tranomaizina : takin’ny Mapar ny hanafoanana ny didim-pitsarana ho an’i Lylison

 Nivoaka amin’ny fanginany ary nanao fanambarana ny Mapar. “Mitaky ny fanafoanana ny didim-pitsarana ny loholona Lylison izahay. Takina koa ny hampitsaharana ny antsojay sy fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra ara-politika amin’ny mpitondra”, hoy izy ireo tetsy Ambodivona, omaly. Mbola notakin’izy ireo koa ny hifantohan’ny fanjakana amin’ny famahana ireo olana mianjady amin’ny vahoaka tena sahirana ankehitriny.

Nialoha izany, helohin’ny Mapar ny nampamoahan’ny fanjakana didim-pitsarana managadra ny loholona Lylison, tsy nanao fanakorontanana na nitaona vahoaka hidina an-dalambe. “Niantso ny rehetra hisaintsaina any an-trano momba ny zava-misy eto amin’ny firenena izy”, hoy izy ireo.

Tsy fanajana ny lalàna

Nambaran’ny Mapar koa fa voaporofo ny tsy fanajana ny lalàna velona sy ny fanaovana jadona eto amin’ny firenena amin’ny nanatanterahana ny fitsarana, tsy misy fiantsoana na fampandrenesana ny loholona Lylison sy ny mpisolovava.

 Nohitsin’ireto mpomba an-dRajoelina ireto fa tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena, efa latsaka an-katerena tanteraka sy anaty fahantrana lalina izao. “Vao mainka aza hampitombo ny savorovoro ara-tsosialy sy toekarena ary politika eto izany”, hoy izy ireo.

Hanafoana sy hiverina amin’ny didy efa navoakany ny fitsarana manoloana izao fitakian’ny Mapar izao ?

Synèse R.

Sary : Fano




Les commentaires sont fermées.