Flash
Préc Suiv

Nandritra ny fankalazana ny “Andron’ny sekoly” : nitambotsotra, maty tampoka ny Dren Boeny

Raha iny hamonjy ny efitrano fialana hetaheta, taorian’ny fahavitan’ny kabary sy ny lanonana ara-panjakana, nandritra ny fankalazana ny “Andron’ny sekoly”, iny, nitambotsotra teo amin’ny tohatra ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Boeny, Atoa Samuel Christophe. Tsy tana ny ainy, minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny amin’ny hopitalin’Androva, omaly.

Semban-drahona tokoa, araka izany, ny fanokafana ny “Andron’ny sekoly” tany Mahajanga, noho izao fodiamandry tampoky ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena, Atoa Samuel Christophe, izao. Araka ny fanazavan’Atoa  Bruno Tsiketa, mpampianatra ao amin’ny CEG Amborovy izay nanao “maître de séance” nandritra ny lanonam-panokafana, taorian’ny fahavitan’ny kabary nifandimbiasan’ireo manampahefana samihafa, no nitranga tampoka izao toe-javatra izao. Lanonana izay natao tao amin’ny CRInFP (Centre régional d’institut de formation pédagogique) Mahabibo, Mahajanga.

Nifamonjena nentina niala-nenina haingana teny amin’ny CHU Androva Atoa tale, saingy minitra vitsy taorian’izay, tsy nisy aina intsony. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo tao, hoe noho ny fijanonan’ny fo tampoka no nahazo azy.

Hentitra amin’ny fomba fiasany…

Noheverin’ny maro fa anisan’ny nahahentitra mafy azy ny tsy fahafaliana teo amin’ny tsy fahatombanan’ny fikarakarana ny lanonana raha nandray fitenenana izy, ka anisany nitarika ny fijanonan’ny fo tampoka. Nasiany teny masiaka mantsy ny fandaminana ny tribune sy ny toeran’ny mpianatra. Noteneniny manokana koa ireo mpanabe sy mpianatra ny amin’ny fanajana ny fanevam-pirenena izay somary goragora noho ny hafanana migaingaina. Eny, hatramin’ny fomba fitafin’ireo ankizy mpianatra amin’izao fotoana izao aza, nasiany teny fanamarihana koa.

55 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Manambady ary manan-janaka iray.  Nanendry azy ho talem-paritry ny fanabeazam-pirenena teto Boeny ny filankevitry ny minisitra, ny 8 oktobra 2014. Nandray ny asany izy, ny 17 oktobra 2014, rehefa nahavita famindram-pitantanana tamin’ny tale teo aloha, Atoa Zaranaina Tohanaina Ernest, izay lehiben’ny faritra Sofia ankehitriny.

Tonga teny an-toerana ny antoandro io, nizaha sy nitsapa alahelo ny tompon’andraikitra voalohany eto Boeny izay notarihin’ny ny préfet an’i Mahajanga, Atoa Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, sy ny lehiben’ny faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar.

Andrasana ao amin’ny tranony ao Ambovoalanana Mahajanga ny razana. Ary araka ny fanazavana avy amin’ny fianakaviany, hoentina any Maintirano, faritra Melaky, ny razana ny zoma ho avy izao.

M.R. & Tatiana

 




Vous devez être connecté pour poster un commentaire Se connecter