Flash
Préc Suiv

Madagasikara : homarihina ny « Tenindreny » !

Madagasikara  : homarihina ny « Tenindreny » !

Toy ny fanao isan-taona, hanamarika ny « Andro eran-tany ho an’ny tenindreny » i Madagasikara. Na samy manomana izay hetsika heveriny fa hatao aza, iraisan’ny rehetra kosa ny fampitiavana sy fampivelarana ny teny malagasy. Ezaka tsy efan’ny irery sady mila faharetana ny fanarenana ny teny malagasy noho ny fahapotehana sy ny fahalovan’ny toe-tsaina izay mitady hahazo vahana eto Madagasikara.

Mila manao dingana goavana ny tsirairay fa tsy tokony havela amina fikambanana na vondron’olona na fitondrana fotsiny ihany ny ezaka. Lehibe indrindra amin’izany ny tokony hanomezan-danja ny teny malagasy any amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.