Flash
Préc Suiv
Logo Free News

Marisarisa ny sosialim-bahoaka…

Misy mbola be filaza fa mandeha ve ny fiainam-bahoaka amin’izao? Minia mikimpy sy ireo heveriny ho fampandrosoana tian-kokatsahiny ny fitondram-panjakana. Aleo ny rehetra no hitsara raha nahomby sy nihatsara ny fiainam-bahoaka. Manao ranolava ny fidangan’ny vidim-piainana, saingy tsy hita ny tena vahaolana matotra avy amin’ny fitondram-panjakana hijerena ny sosialim-bahoaka. Variana loatra ny mampiantrano vahiny. Ny fahendren-drazantsika manambara fa “raha misy tia vahiny any ivelany mihoatra ny ao an-trano, manaratsy ny mpiray tanindrazana ho enti-mividy fitia amin’ny hafa, mankafy voalavo noho ny trandraka izany, ka tsy mba tsara fa ratsy”. Mihamitotongana hatrany ny sosialim-bahoaka…Vao nanao befiavy, ohatra, ny orana afakomaly hariva, efa dibo-drano sahady ny araben’Antananarivo. Tratran’ny voa manodidina ireo mpitondra fiara. Maro ireo fiarakaretsaka no nahita faisana, satria niteraka fahasimbana teo amin’ny fiara vokatry ny rano tondraka… Tsy hita loatra izay fanatsarana ny tanànan’Antananarivo na ho an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra na ho an’ny fitondrana foibe. Tanàna iaraha-manana, saingy atao jerimaso sy vonjy tavanandro ireo heverina ho fampandrosoana. Ny fitakiana hetra isan-karazany anefa mitombo hatrany, saingy tsy hita izay tena tamberina andraikitra hanasoavana ny fiainam-bahoaka. Mbola marina amin’ny teny sy ny lazainy ve ny fitondram-panjakana? Zary faralahin’olona hatrany ny tena fahasahiranam-bahoaka. Raha noheverina fa manodidina ny 7% ny fidangan’ny vidim-piainana, amin’ity taona 2017 ity, vao ny volana janoary iny no lasa. Tsapa fa hihoatra lavitra noho io mandra-pahatapitry ny taona. Variana hatrany amin’ny adin’akoholahy ny fitondrana ka manadino ny adin’ombalahy, dia ny fahantram-bahoaka. Ny hafitsoky ny fitondrana rahateo manahirana, mangeja, mamoritra, tsy mamela ny vahoaka hikofoka sy hihetsika…Diniho amin’izay karazana fihetsehana nisy nandritra izay niseho izay…Herim-pamoretana zavon-tany no manemitra ny toerana hoe hanaovana fihetsiketsehana. Mampiseho ny heriny mpitondra? Rahoviana ny mpitondra vao tena hahatapa-tena hiatrika marina ny tena fahoriam-bahoaka? Ny vahiny hatrany no avy mandray andraikitra amin’ireo heverina fa marefo eto amin’ny tany sy ny firenena, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo olona ianjadian’ny kere any Atsimo. Tsy hita ny tena fijerena ny tombontsoam-bahoaka amin’ireo karazana lalàna avoaka ny fitondrana etsy sy eroa. Anisan’ny mampiteraka korontana eto amin’ny firenena izy ireny, anisan’izany ny lalàn’ny fifandraisana, lalàna mifehy ny fitrandrahana, ny lalàn’ny fananan-tany sy ny maro hafa…Mahatonga ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny vahoaka ho marisarisa ny tsy fijerena ny tombontsoam-bahoaka amin’ireny. Mbola hisy ve ny tena fanovana iandrandran’ny vahoaka amin’ny fialana ny fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa, tsy fisiana delestazy, tsy fandriampahalemana…Aleo ny tantara no hitsara.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.