Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FIVAROTANA ZAVA-MAHADOMELINA : Vehivavy ati-doha amin’ny fivarotana rongony voasambotra

FIVAROTANA ZAVA-MAHADOMELINA : Vehivavy ati-doha amin’ny fivarotana rongony voasambotra

Olona telo, roalahy sy vehivavy iray no saron’ny zandary avy etsy Carrion ny talata lasa teo. Araka ny loharanom-baovao voaray ity vehivavy ity no ati-dohan’ny fivarotana ireo zava-mahadomelina ireo. « Fonosana rongony miisa valo no saron’ny zandary tany amin’izy ireo ka rehefa natao ny fanadihadiana dia ilay vehivavy sy ny lehilahy iray no mpivarotra ary ny iray kosa mpifoka. Teo ampifohana mihitsy ity farany no sarona tamin’izany », hoy ny loharanom-baovao voaray. Araka ny vaovao voaray hatrany, fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po nampandre ny zandary no nahafahana nisambotra ireto olona telo ireto. « Irariana araka izany ny fanampiana amin’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra tahaka izao amin’ny fisamborana itony olon-dratsy itony », hoy ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Atolotra ny fampanoavana etsy amin’ny fitsarana Anosy anio ireto olona telo voasambotra ireto.

HR

Les commentaires sont fermées.