Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FANAMPIANA AN’I MADAGASIKARA : Mitodika mianatsimo ny mason’ny iraisam-pirenena

FANAMPIANA AN’I MADAGASIKARA : Mitodika mianatsimo ny mason’ny iraisam-pirenena

 

Ntsay Christian, solontena maharitry ny birao iraisam-pirenena momba ny asa.

Fantatra amin’izao fotoana izao fa ny faritra atsimon’ny Nosy no itodihan’ny sain’ny iraisam-pirenena mikasika ny fanampiana an’i Madagasikara. Matetika loatra ny olana miseho any amin’ity faritr’i Madagasikara ity ka mila tetik’asa entina hialana amin’izany, isan’ireo ohatra ny olan’ny rano mahatonga ny kere, ny tsy fahampian’ny orinasa manatsara ny sehatry ny toe-karena sns… Ireo antony ireo araka ny fantatra no mahatonga ny mponina tsy afaka mivoatra sy miaina izany fivoarana izany. « Maro loatra ny olana mianjady amin’ny mponina amin’ity faritra ity izay mahatonga ny toe-kareny marefo. Io olana io izay saika hita manerana ny faritra rehetra amin’izao fotoana izao ka mahatonga ny toe-karen’ny firenena marefo dia marefo. Mila fandraisana andraikitry ny rehetra araka izany iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Fandraisana anjara izay tokony hitondra fandrosoana », hoy ny nambaran’i Ntsay Christian, solotena maharitry ny birao iraisam-pirenena momba ny asa aty amin’ny faritry ny ranomasim-be indianina.

 

Asa tokony an’ny fanjakana

 

Rehefa tsy mahavita ny andraikiny ny fanjakana, tetik’asan’ny firenena mikambana amin’izao fotoana izao ny hitondra rano fisotro madio any amin’ity faritra, izay toa tsy raharahin’ny fanjakana Malagasy ity. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fijerena ny fanatanterahana izany. Araka ny fantatra dia manodidina ny 400km ny toerana ahazo izany rano fisotro madio izany. Raha isan-taona, vola manodidina ny 120 tapitrisa dolara no fantatra fanampiana entina hiadiana amin’ny hanohanana omen’ny iraisam-pirenena ity faritra ity. Mila ampiasaina hanamboarana tetik’asa maharitra io vola io mba ho vahaolana maharitra. Ny vahoaka amin’izay avy eo no manatanteraka ny tetik’asa ahafahany mampandroso ny faritra misy azy. « Ny famoronana asa hoan’ny tanora no isan’ny vahaolana mahomby indrindra ahafahana mampisy ny filaminana maharitra amin’ny toerana iray, isan’izany ny any atsimo. Rehefa tsy misy asa mantsy izy ireo dia manita-kevitra manao io rehetra io », hoy ihany ny nambaran’i Ntsay Christian.

HR

Les commentaires sont fermées.