Flash
Préc Suiv
Logo Free News

ANTOKO FREEDOM : Nanolotra solosaina 10 ho an’ny Akany Avoko

ANTOKO FREEDOM : Nanolotra solosaina 10 ho an’ny Akany Avoko

Mitohy hatrany ny fandraisana andraikitry ny antoko Freedom ho fanampiana ny mpiara-belona.

Tohin’ny fanomezan-tanana tanterahin’ny antoko Freedom, tonga nanolotra solosaina folo ho an’ny akany Avoko tetsy Faravohitra, omaly hariva izy ireo. Nambaran-dRakotondrazafy Lalatiana filohan’ny antoko Freedom « fa ho tan-tsorok’ireo ankizy niangaran’ny vintana, sy ireo sahirana iharan’ny tsindrihazolena, ireo izay napetraky ny fitsarana eto, mila tosika eo amin’ny fiainana izy ireo, mba hahavita tena ho eo amin’ny sehatry ny asa. Manana zo hahazo fanampiana sy tolo-tanana ireto ankizy ireto, indrindra eo amin’ny teknolojian’ny serasera ». Araka ny tatitry ny talen’ny Akany Avoko, Randrianarimalala Hanta, misy amin’ireo zazavavy beazina ao no mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra. « Mba tsy ho ny sarety no handeha alohan’ny omby, hanome tolo-tanana avy hatrany ho azy ireo ny antoko Freedom. Hitady mpampianatra olon-dehibe ny antoko hiantsoroka ny fanabeazana azy ireo hahaizany mamaky teny sy manoratra, mialoha ny hianarany informatika », hoy ny filohan’ny antoko. Mba hisian’ny fivelarana eo amin’ny lafiny informatika eo amin’ity akany ity, hitady hevitra ny antoko Freedom hahafaha-mampiditra aterineto.

Teny nomena

Raha ny tokony ho izy, ny fitondram-panjakana no tokony hikarakara ity akany Avoko etsy Faravohitra ity, saingy lasa ankilabao sy zanak’Ikalahafa. Nisy ny teny nomeny ho fanatsarana ny akany, nataon’ny filohan’ny antoko Freedom, ny amin’ny hanomezana ranomafana ao amin’ny toeram-pandroana. Hojeren’ny ekipa miaraka ny fanatanterahana azy io tsy ho ela, raha ny fanampim-panazavany. Tsy nohadinoin’ny filohan’ny antoko Freedom sy ny ekipa mpiara-dia taminy, ny nanome tsodrano sy nanafatrafatra ireto ankizivavy beazina ao. « Hararaoty izao fotoana izao, miala eto ianareo tokony hahay informatika avokoa. Amin’ny fiverenako manaraka aty, ianareo indray no hampianatra ahy. Manantena fahombiazana avy aminareo ary tandrovy tsara ny fitaovana », hoy Rakotondrazafy Lalatiana nanantitrantitra. Mahatratra 21 ireo zatovovavy hisitraka izao fampianarana informatika mandritra ny telo volana ao amin’ny akany Avoko izao. Aorian’izay, hisy ny fizarana mari-pahaizana azy ireo. Ny fanomezana mpampianatra azy ireo kosa, iantsorohan’ny antoko Freedom.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.