Flash
Préc Suiv
Logo Free News

VOVONANA MAMPIRAY : Laharam-pahamehana ny Satan’ny fihavanana malagasy

Manoloana ny fihazakazahana amin’ny Fananganana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM), nilaza ny avy eo amin’ny Vovonana Mampiray, omaly, fa ny Satan’ny fihavanana malagasy no tokony ho laharam-pahamehana. “Endrika ivelany sy fandaniam-bolam-bahoaka vaovao indray izany fananganana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy izany. Tsy nisy vahoaka niady teto fa ny mpitondra no nanao am-pihimamba ny harem-pirenena”, hoy i Joël Harison Marie René, mpikambana ao anatin’ity Vovonana Mampiray ity. Ny famolavolana ny “Satan’ny fihavanana malagasy” miainga avy any ifotony no mahamaika ny mpiray tanindrazana, mba hisian’ny fifamatoram-pihavanana maharitra sady lovain-jafy eto Madagasikara, raha ny fijerin’ity vovonana ity. “Tsy mandeha irery izany fampihavanam-pirenena izany fa mifampiankina amin’ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ao anatin’ny fahamarinana, ny manjakavahoaka, ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena”, hoy izy. Nanteriny fa tafiditra ao anatin’izany koa ny fanovana ny lalàmpanorenana ka tsy hivangongo eo anivon’ny foibem-pitondrana intsony ny fahefana rehetra.

Irosoana ny fitsarana

Nilaza, Ramaroson Arlette, efa mpitsara iraisam-pirenena sady mpikambana ato anatin’ity Vovonana ity fa “tsy maintsy tsaraina ireo olona heverina ho nahavanon-doza vao hirosoana ny fampihavanana. Ireo niharam-pahavoazana sy ireo heverina ho tomponandraikitra amin’izany no hanatanterahana ny fihavanana”. Lalàna fahita amin’ny fampihavanana eran-tany io, araka ny fanazavany. “Efa nanatanteraka ny fampihavanana tany Rwanda ny tenako ary tahaka izany koa ny zava-niseho tatsy Afrika Atsimo. Irosoana aloha ny fitsarana vao azo tanterahina ny fampihavanana”, hoy izy. Ireo niharam-pahavoazana tsy maintsy mahazo ny anjarany izay vao misy marina ny resaka fanarenam-pirenena marina amin’ny alalan’ny fampihavanana. Navoitrany fa karazany fampihavanana politika no miseho amin’izao fotoana ka tsy hita ny fomba itadiavana ny marina. Ny eo anivon’ny FFKM moa efa nanambara, ny herinandro lasa teo, tetsy Ankorondrano, fa vonona hanohy ny fampihavanana, saingy miandry ny lalàna momba izany izy ireo.

Rado Harivelo

Les commentaires sont fermées.