Flash
Préc Suiv
Logo Free News

Mosarena…Mosalahy mitady harena

Velom-panahiana amin’ny fiainan-koaviny ny tantsaha eto Analamanga sy ny manodidina mahakasika ny mbola tsy nahalatsahan’ny orana, mandraka ity ny androany. Nampanantenaina sy nandrasana ny fahafenoan’ny fepetra hahazoana mandatsaka orana, ho an’ny eto afovoan-tany, saingy manantena tsy misy no sarotra, fa ny mamoy mora foana. Tsy azo antoka hahavita tena amin’ny famokaram-bary isika raha izao no mitohy. Tsy maintsy jerena ny fiainan-koavy, iray amin’ireny ny fanafarana ny vary na ho an’ny mpandraharaha io, na ho an’ny fanjakana raha ilaina aza. Ny voka-bary aloha  hatreto, ho tahaka ny vary aloha, zara raha mahafa-po no tsy hahavita taona…

Anisan’ny fahavalo tsy maintsy iadiana sy hatrehina ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny mety ho krizim-bary atsy ho atsy. Na tsy andraikitry ny fanjakana mivantana aza ny fanafarana vary, mahatsiaro manana adidy, izay iadidiany amin’ny vahoaka, izy ireo hamaha io olana io. “Ain-dRamalagasy io ka tsy tokony hatao antsirambina na sanatria hatao vain-drahalahy tsy marary. Isan-taona aza misy ny orana, mbola sasatry ny miarina, mainka moa fa izao tsy fisian’orana izao. Ny vary tsy arahin-dranonorana anie leiretsy, manakofa. Ho maro no tsy hanan-katokona, ho lany vary tsy misy haketsa…Mazava ho azy, ho mosarem-pahavaratra ny fiainan-koavy?

Loza iray, loza roa, fa anisan’ny miteraka zava-doza ny mangaro-mosary amin’izay hatao. Mitaky fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny mpitondra fanjakana tsy hahatongavan-dRamosarena. Ara-tantara, tamin’ny andron’Andriamasinavalona no nisy mosary roa nantsoina hoe : “mavovava zokiny sy zandriny” teto amin’ny tany sy ny firenena. Nandripaka olona marobe ka tena zava-doza tokoa. Koa ny hamisavisana ny ratsy, hoy ny Ntaolo razantsika, mba hiavian’ny soa. Tsy ho vitan’ny vahoaka irery ny fiatrehana izany fa ilaina ny tan-tsoroky ny fanjakana. Mba tsy ho sanatria hazo tokana an-tampon-kavoana, ny vodiahitrarivo, ka ho tenain-drivotra irery…

Mampangala-dia ny eritreritra hatrany ny mahita ny fitondram-panjakana, toa mandrimandry manana aretina. Efa mananontanona ny mosarena, saingy izy ireo toa “mosalahy mitady harena” amin’ireo vahiny mandalo. Malain-kisahirana eto an-tanindrazana ka hiandry mamantam-bonona sa hitambezo hatrany amin’ireo vahiny? Ny vahoaka sy ny tanindrazany ihany no fanoitra lehibe ahafahan-kivoatra mankany amin’ny fampandrosoana marina. Raha ireo no atao ankilabao sy atakalo vahiny, ho mavovava fararano ka manao izay hialana, fa tsy mitady hevitra hanao izay hiasana. Dia ho mosarena eto tokoa, vokatry  ny resaka kitsapatsapa sy andranandrana lava…

 

Rado Harivelo

 

Les commentaires sont fermées.