Flash
Préc Suiv

Tsy manana vahaolana ny fitondrana : ahina ny mosary tena mafy manerana ny Nosy

 “Mila mahay mitsinjo dieny mialoha ny mitondra firenena”, hoy ny fiteny. Tsy nasin’ny fitondrana teny na indraim-bava aza ny mosary sy ny tsy fahampiana ara-tsakafo mety hihatra amin’ny Malagasy manerana ny Nosy afaka volana vitsy monja, vokatry ny hain-tany mihatra ankehitriny.

Tsy mbola nisy hatramin’izay! Sambany amin’ny tantaran’i Madagasikara (raha ny fantatra) ny tsy firotsahan’ny orana amin’izao fiandohan’ny volana janoary izao. Sambany toraka izany koa ny tsy fahafahana manetsa noho ny tsy fisian’ny orana, tsy misy rano ampidirina anaty tanimbary. Tena iharan’izany ny any Alaotra, sompitr’i Madagasikara, fototry ny vary vakiambiaty, mamatsy manerana ny Nosy amin’ny ankapobeny. Miharihary eto Antananarivo koa ny tsy fahampian’ny orana sy ny rano, ho an’ireo mamboly vary vakiambiaty, toy ny any amin’ny manodidina an’Ambohimanga, Talata Ivolonondry, Ankazondandy, Imeritsiatosika, Morarano, Arivonimamo, Ambatolampy, sns. Mitovy avokoa ny filazan’ny tantsaha avy amin’ireny toerana rehetra ireny, “tsy mbola nisy hain-tany sy rano ritra toy izao, hatramin’izay. Ho ratsy ny taom-pambolem-bary amin’ity taona ity. Efa antitra ny ketsa, tsy afaka afindra satria tsy misy rano,….Tsy afaka nanetsa izahay satria tsy misy ny rano, …”.

Tsy ny vary ihany ny tratry ny hain-tany, fa maro koa ny vokatra hafa, toy ny katsaka, mamotsy (tsy misy voany ao anatiny) satria tsy ampy ny ranon’orana.

Mangata-dava

Tsy misy teny na iray aza avy any amin’ny mpitondra manoloana izany, fa na ny delestazy aza tsy voavahany na iniana tsy vahana. Tsy nisy teny na iray aza, natsidik’ireo mpikabary nifandimby nandritra ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona teny Iavoloha farany teo. Tsy nisy na teny iray aza, mikasika ny famatsiana ara-tsakafo, indrindra ny vary, amin’ity taona 2017 ity. Nisy fifampidinihana manokana omanina, nefa anisan’ny firenena malaza sy mety ho voalohany amin’ny fanaovana “atrikasa” i Madagasikara.

Tsy manana paikady manokana ny fitondrana amin’ny fiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, fa mitavandra amin’ny vola avy any ivelany, toy ny 14 tapitrisa euros avy amin’ny Pam. Tsy manana paikady manokana ny fitondrana amin’ny delestazy, sady efa “teren’ny mpamatsy vola” tsy hampitombo ny fanampiana ara-bola intsony ny Jirama.

Izany hoe, azo adika fa miandry izay figadonan’ny “mosary” eo fotsiny ny fitondrana, ary hanatsotra ny tanana, efa zatra mitsotra, hangataka, hanao antso avo iraisam-pirenena fa “tratry ny kere”, toy ny tratry ny loza voajanahary nifanesy ireny i Madagasikara.

Raha nitatitra ny zava-bita teo aloha (2016) ny Praiminisitra, tokony anjaran’ny Filoham-pirenena ny milaza ny vinavina amin’ny ho avy (2017). Tsy misy afa-tsy zavatra roa loha ny nambarany, ny fampiakarana 7% ny karaman’ny mpiasam-panjakana (efa faheno isan-taona), sy ny “fanohizana” (efa natao ny taona 2016) ny famindrana ny lova amin’ny mpandova maimaimpoana.

Randria

Voalaza fa mitentina 900.000 Ar ny saran’ny fandrotsahana orana tsy voajanahary indray manao, tsy ao anatiny ny hofan’ny fiaramanidina. Inefatra nisesy ny natao farany teo, nandritra ny farany sy fiandohan’ny taona iny. Mahavariana ihany raha mety ho raisin’ny fitondrana ho lafo izany masonkarena izany, nefa afaka manasa vahiny anarivony misakafo eny amin’ny Lapampanjakana, sady tsy ambara ampahibemaso ny tetibola nolanina tamin’izany. Santionany ihany io, fa maro ny fandaniam-bola ataon’ny fanjakana, mihoatra lavitra amin’io 900.000 Ar io.

Les commentaires sont fermées.