Flash
Préc Suiv

Tennis ambony latabatra : mitaky fitsipi-dalao mazava i Habib

Tennis ambony latabatra  : mitaky fitsipi-dalao mazava i Habib

 Tsy afaka ny hangina. « Tsy misy filazana ofisialy momba ny fifidianana eo anivon’ny federasiona, hatreny anivon’ny klioba sy ny kianja na koa ny minisitera. Ahoana ny fitsipi-dalao momba ny fifidianana… Tsy mazava avokoa izany rehetra izany », hoy ny filohan’ny federasiona teo aloha, eo amin’ny tennis ambony latabatra, Habib Djiva Kamal sy ny ekipany, omaly tetsy Antsahamanitra. Nohitsin’izy ireo fa tsy manaraka ny fenitra sy tsy ara-dalàna koa ireo fifidianana teny anivon’ny seksion’Avaradrano sy Atsimondrano. Misy olana koa ny eto Antananarivo Renivohitra. « Tsy mitombina ny fifidianana natao ka takinay ny hanafoanana izany… Na hanao amboletra amin’ny fifidianana filohan’ny federasiona ka aoka hizaka ny vokany eo… Miverimberina hatrany ny olana tahaka izao », hoy ihany izy ireo. Tokony hatao anio ny fifidianana ny ho filohan’ny ligy ary amin’ny 14 janoary ny ho filohan’ny federasiona. « Tsy feno ny fepetra rehetra ka tokony hahemotra », hoy izy ireo. Nanteriny fa gaborakaka ny taranja tennis ary mahakivy ny tranga miseho sady tandrametaka avokoa ny atao rehetra.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.