Flash
Préc Suiv

Miantsoarivo – Arivonimamo : nanampy ny EPP ny depiote

Miantsoarivo – Arivonimamo : nanampy ny EPP ny depiote

Nitondra fanampiana ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, ny alahady teo ny depiote Rakotomanjato Rodin. Nitondra tafo miisa 30, simenitra 10 lasaka, loko sy fantsika  ho an’ny  EPP Miantsoarivo ny tenany. Mbola nanome tafo miisa 20 ho an’ny CEG katolika koa izy. Anton’izany ny faharavan’ireo fotodrafitrasa ireo noho ny rambondanitra mahery vaika tany an-toerana ny 31 desambra lasa teo. Nahitana fahasimbana ny tsenan’ny tantsaha sy ny fitaovana fampiasan’ny mpianatra mijanona ao an-dakilasy. Nampandre ireo tompon’andraikitra sy ambaratongam-pahefan ary ny BNGRC ny teo anivon’ny kaominina, saingy tsy nahazoam-baliny izany herinandro aty aorina.  Tokony hianatra anefa ny mpianatra ny alatsinainy teo. Nandray ny andraikiny ny depiote mba  hahafan’ireo mpianatra mampiasa ny efitrano ao anatin’ny fotoana fohy. « Tsy maintsy raisina ny andraikitra rehefa tsy mijery ny fahoriana sy ny fahasiranan’ny vahoaka ny fitondrana, mbola varina mitanisa ny zava-bitan’ny hafa fotsiny », hoy izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.