Flash
Préc Suiv

Fifidianana filohan’ny Efoi-Madagascar : kandidà tokana Razakaboana Fanja

Hotanterahina, anio ao amin’ny efitranon’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), izany ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny Efoi-Madagascar. Tokana ihany, hatramin’ny fe-potoana farany omaly, ny kandidà nilatsaka hofidina, Fanja Razakaboana, avy eto amin’ny faritra Antananarivo. Hanao izany fifidianana izany ireo filoha isam-paritra 15 manerana ny Nosy. Nanomana izao fifidianana izao ny mpitantana ao amin’ny komity ad-hoc, filohan’ny Efoi, faritra Nosy-Be, Rtoa Moana.

Tsiahivina fa ny Efoi (Entreprendre au féminin océan Indien), ivondronan’ireo mpandraharaha vehivavy eto an-toerana sy aty amin’ny Nosy manodidina. Hatramin’ny nijoroan’ny Efoi-Madagascar, mbola tsy nankatoavina ara-dalàna ny sata mifehy azy ireo. Koa aorian’izao fifidianana filoha vaovao izao, hojerena manokana ny fankatoavana izany sata izany hahazoana mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Manana ny andraikiny lehibe ireo vehivavy ireo amin’izany toeran’ny fandraharahana izany ka tokony homen-danja ho amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Ato anivon’ny faritra ranomsimbe Indianina, efa eo ny COI vonona hanohana azy ireo.

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.