Flash
Préc Suiv

BFV-SG : tolotra manokana mandritra ny ITM

Mandray anjara etsy amin’ny Foara iraisam-pirenena momba ny fizahantany (ITM), Carlton Anosy (2-4 jona ny banky BFV-SG etsy amin’ny Carlton Anosy (2-4 jona). Ho an’ny findramam-bola Soafeno, haingana sy hamoraina ny fikarakarana ny antontan-taratasy, fampihenana isa roa ny zanabola. Manampy ireo, maimaimpoana ny fangatahana karatra banky (poinsettia, varongy, ebène), ny findramam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana (pack mandrosoa; mandrosoa plus), ny “pack ebène or” ary ny “pack power pro”. Misy ny tolotra manokana ho an’ny mpitsidika, manan-kery hatramin’ny 31 jolay 2016. Voakasik’izany avokoa ny olon-tsotra sy ny matihanina ary ny mpandraharaha.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.