Flash
Préc Suiv

Nikasa hangalatra 4×4 : saron’ny polisy tao Tanamakoa

Efa manomboka tsy hatokisana ny mpanamboatra fiara eto Toamasina, raha ny tranga niseho tany Toamasina tao amin’ny fokontany Tanamakoa, ny marain’ny alakamisy teo. Saika naodin’ ny lehilahy iray mpanamboatra fiara eny an-toerana ny fiara tsy matahon-dalana iray raha napetraky ny tompony teo aminy fa hamboarina ny « retroviseur« .  Niangavian’ ilay mpanamboatra hapetraka miaraka ny fanalahidin’ ilay fiara, ka nametraka tokoa ny tompony nentin’ny fahatokisana.  Afaka 30 minitra, niverina hahavitan’ny fanamboarana. Akory anefa ny hatairan’ ilay tompony fa tsy hitany teo ilay fiara sy mpanamboatra, ary tsy azo antso tamin’ny finday intsony. Nampilaza avy hatrany ny polisy ity farany. Tsy niandry ela fa nihetsika ny polisy nametraka sakana tamin’ iny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy. Vokany, hita nafenina tao anaty lalam-pasika tsy lavitra eo ilay fiara. Natao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana kosa ilay rangahy mpanamboatra fiara.

Sajo

Les commentaires sont fermées.