Flash
Préc Suiv

Filoha Rajaonarimampianina : « Porofoy amiko hoe mihamahantra ny Malagasy »

Filoha Rajaonarimampianina  : « Porofoy amiko hoe mihamahantra ny Malagasy »

« Porofoy amiko fa mihamahantra miohatra amin’ny tamin’ny roa taona sy tamin’ny herintaona isika amin’izao fotoana izao, tsy misy asa fampandrosoana mihitsy atao, tsy misy asa mitohy… Teo aloha, nisy aman’alina very asa.« 

Io no nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina, tamin’ny mpanao gazety tany Istanbul, Turquie, afakomaly, momba ny hoe mihamahantra ny Malagasy amin’izao fotoana izao.

Tsy vitan’ny tenenina fotsiny hoe tsy tiana ny mpitondra, fa misy te hitondra amin’izao fotoana izao. Izay ve no hampandrosoana ny firenena?

« Mila filaminana ny fampandrosoana, mila fiaraha-mibanjina ny hoe fampandrosoana. Fa tsy ampidirina isan’andro ao an-tsain’ny olona hoe misy korontana eto« , hoy izy.

 

Tsy maintsy andraisana fepetra izay manakorontana

 « Eo amin’ny lafiny politika, tsy maintsy handray fepetra ny momba izany ny fiarahamonina« , hoy izy manoloana ny hoe fanakorontanana. Miezaka mandamina amin’ny endrika maro samihafa ny fitondram-panjakana. Be ny efa fifandaminana amin’ireo mpanao politika.

Mampieritreritra ny olona voateny izay zandary, raha ny nambarany momba ny loholona Lylison René de Roland. « Manana fifampifehezana izany, azo lazaina hoe miavaka eo amin’ny fanompoana ny firenena sy ny fanajana ny rafitra ao anatin’ilay izy. Tsy manaja an’izay ve izy sa tsia?«  hoy izy.

Tsy nividy fiaramanidina izy

 Na ny fiadidiana ny Repoblika, na ny fitondram-panjakana, na ny filoha Rajaonarimampianina: tsy nisy nividy fiaramanidina izany, raha ny nambarany momba ny fiaramanidina Falcon 900 EX. Rehefa mandeha izy, mandeha amin’ny kompaniam-pitaterana tsotra, na misy fotoana mahita fiaramanidina toy ireny.

R. Nd.

3 réponses à "Filoha Rajaonarimampianina : « Porofoy amiko hoe mihamahantra ny Malagasy »"

  1. nohlys  28/05/2016 à 10:04

    Pff c du nimporte quoi?faut etre aveugle pour ne pas voir que les malgaches sont pauvre.arret de mentir.

  2. Mahandry  01/06/2016 à 23:48

    Tsotra be zan fir n rang antsik tamin’ ny 2 taona zao tsik anatin top 5 mahantra indrindra d mbola in ian n excuse.

  3. fara  13/06/2016 à 23:19

    Maizina ampototrin’ny mazava matoa tsy mahita izao fahantrany vahoaka izao ianao ry filoha

Les commentaires sont fermées.