Flash
Préc Suiv

Tsy misy vaovao: vaovao ratsy…

Tsy misy vaovao: vaovao ratsy…

Ohabolam-bazaha ny hoe: tsy misy vaovao: vaovao tsara izany. Mby amin’ny fitenenana malagasy hoe: ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Saika eritreretina mialoha sy mibahan-toerana hatrany ny zava-dratsy na vaovao ratsy. Hany ka rehefa tsy misy ny vaovao, naman’ny vaovao tsara izany.

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao: tsara izay tsy fisian’ny vaovao izay? Fanamby ny fanovana. Aorian’ny krizy lavareny (n)iaretana sy (n)iforetana, mba hisy masoandro mihiratra amin’izay ahay ny fiainam-pirenena ho amin’ny fanovana, indrindra ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka ifotony.

Nefa tsy misy vaovao… Tsara ve izay? Mihamitombo andro aman’alina, ohatra, ny tsy fandriampahalemana. Fanamarinan-tenan’ny sasany ny tsy fisian’ny asa, ny fahantrana mihalalina, ny gaboraraka miseholany… Tsy vaovao ho azy ny tsy fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra.

Tsy zava-baovao, na naman’ny vaovao ratsy isan’andro vaky koa ny fidangan’ny vidim-piainana efa ho lava; eny, na mba nihena kely aza, ohatra, ny vidin-tsolika. Tsy mahataitra intsony fa efa tsy vaovao toy ny fandrobana sy fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena: andramena, vatosoa, sokatra…

Toy ny firongatry ny fanolanana, herisetra, fisolokiana… Manampy trotraka ny ady tany etsy sy eroa. Efa tsy misy vaovao koa ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanamparam-pahefana, ny fitsaram-bahoaka… Ratsy avokoa ny tsy fisian’ny zava-baovao amin’izany, satria tsy hita izay mba hoe fiovana amin’izao.

Tsy zava-baovao mbamin’ny tsy fahavitana inona loatra? Misy milaza fa asa andavanandro amin’ny tokony hatao sy fampandehanan-draharaha izao iainana izao, fa tsy fanarenam-pirenena sy fampandrosoana. Tsy zava-baovao mbamin’ny fanamby sy fampanantenana? Na ny karazana fampielezan-kevitra…

Tsy vaovao na vaovao ratsy koa izay hitranga rahampitso sy rahafakampitso? Tsy mba hiainana eto ny hoe: raha tsy misy vaovao, naman’ny vaovao tsara izany. Ratsy hatrany tsinona no nifandovana teto hatramin’izay? Andrasana sy takina izany izao izay vaovao ratsy ho amin’ny tsara izay…

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.