Flash
Préc Suiv

Atsimon’ ny Nosy : hikija ny orana

Hatry ny omaly, nikija ny orana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy sy Atsimo Atsinanana ary hitohy ao anatin’ny telo andro, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

Heverina ny hiitaran’izany rotsak’orana betsaka izany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara amin’ny zoma ho avy izao. Raha ny vinavina hatrany, hihabetsaka izany orana izany ny tapak’andro hariva sy ny alina.

Hahafaly ny mponina any Atsimo izay miaina ao anatin’ny kere miteraka hafanana be sy mosary ny fihavian’ny orana any an-toerana. Hampitsiry ny fambolena izany fiavian’ny orana izany.

Marihina fa roa taona lasa izay, nampijalian’ny tondra-drano ny faritra atsimo nandritra ny fandalovan’ny rivodoza tany an-toerana. Namaky ny renirano lehibe tao an-tanàna izany ka nahabetsaka ny traboina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.