Flash
Préc Suiv

Taom-baovao hoe ?

Taom-baovao hoe ?

Taom-baovao malagasy omaly, araka ny fanisan’andro nataon’ny andaniny mankalaza izany. Tsy izy io fa ny volana jolay izao vao Taom-baovao malagasy, araka ny famaritan’ny ankilany azy. Mifanipaka ny hevitra eo amin’ny fanondroana ny daty fankalazana ny taom-baovao malagasy na samy Malagasy aza no mamaritra azy. Tsy mahagaga raha ampahan’olona no mamonjy ny fety aman-danonana karakaraina amin’izany sy mahatsiaro mifampirary soa. Fa ny an’iza no tena marina ? hoy ny fanontaniana mihelina eny rehetra eny. Samy manamarina ny azy ireo antokon’olona mivoy io fety hoe an’ny Malagasy manokana io.

Raha ny tantara aloha, tsy nisy izany voambolana hoe « Taom-baovao » izany teo amin’ny Ntaolo. Ny nomarihina tamin’izany dia ny asaramanitra fiakaran’ny vokatra. Nampifanitsiana amin’ny tsinambolana mialoha ny fetin’ny Paska izy io taty aoriana. Andro firavoravoana izany fa tonga ny fararano. Eo ilay hoe « mandihiza rahitskitsika, hianaranay raha fararano ». Natao ho an’ny valalabemandry ity andro ity. Fandroan’ny andriana kosa ny alahamadibe, marihina amin’ny fiandohan’ny lohataona. Natao ho an’ny mpanjaka sy ny tandapa io andro io. Io ilay voizin’ny ankilany ho Taom-baovao malagasy. Tsy hifanome mihitsy, araka izany, ny hevitra eo amin’ny roa tonta raha ireo no jerena. Samy mandroritra amin’izay eritreretiny ho marina. Ny mpitazana sisa maminavina sy misafidy izay harahiny. « Io fifandroritan’ny samy mpitarika io no antony tsy mahasarika anay hieritreritra hoe misy izany taom-baovao malagasy izany », hoy ny sasany tsy faly amin’ny adihevitra mikasika ny daty fankalazana. Fa mba firy amin’ny Malagasy hoe tompon’ny taom-baovao tokoa  moa no mankalaza ireo andro ireo ? Tokony hahataitra sy hampieritreritra ireo mpikarakara izany. Sao kosa ka misy resaka tombontsoa ao ambadika ao ? Eritreritra mandalo ihany izany fa arahabaina aloha ny Malagasy « rehetra » nahatratra izao andro firavoravoana izao. Mba hisitraka sy hianoka amin’izay nisasarana anie ny daholobe. Ho mamy hatrany ny fiainana miaraka amin’ny « vary amin-dronono tondrahan-tantely ».

Andry Fenomanana

Les commentaires sont fermées.