Flash
Préc Suiv

8 marsa CUA : hanao diabe ny ben’ny Tanàna

 Hitarika ny diabe ho fanamarihana ny Andron’ny vehivavy, 8 marsa rahampitso ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao. Hiainga eny Mahamasina izany ary hipaka eny Analakely. Hisy ny fanentanana hataon’ny mpanakanto maro, hotarihin’ny « Fou hehy ». Arahin’ny fizarana valisoa ho an’ireo mendrika amin’ny fifaninanana samihafa nampanaovinan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Hitohy amin’ny alalan’ny adihevitra momba ny vehivavy izany ny tolakandro.

Ny anio kosa, fanadiovana faobe eo Analakely sy ny manodidina. Nanolotra kifafa 200 sy sobika 100 ho an’ny CUA ny fikambanana Dioviko Iarivo hanaovana izany.

Efa nialohavan’ny lalao rugby vehivavy natao teny Alarobia sy ny fifaninanana fanasana lamba izany. Teo koa ny tranoheva samihafa etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, nanaovana varotra fampiratiana sy sakafo malagasy ary ny fitsabona maimaimpoana momba ny fandrindram-piterahana, ny fitiliana maso, ny fitiliana diabeta sy VIH/Sida.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.