Flash
Préc Suiv

Tsy mahalala maty sy velona  

Tsy mahalala maty sy velona  

Tsy fahampian-tsakafo, kere, mosary… Malaza izany, na nangingina aza taorian’ny atrikasa tany atsimon’ny Nosy, herinandro lasa. Tsy any ihany… Lasa resaka any amin’ny faritra hafa ny fahasahiranan’ny vahoaka ifotony… mahafaobe. Ny any atsimo, miverimberina noho ny tsy fahampian’ny orana sy ny rano ho an’ny olona, biby fiompy, fambolena. Ny amin’ny faritra hafa, mitohy sy mandavantaona ny fahasahiranana: tsy fahampian’ny asa, vola, sakafo…

Tena hotanterahina ny vahaolana maharitra? Na resaka no betsaka… Mahatonga angano, tantara tsy marina sady loza, amin’ny tany ama-monina ny sehon-javatra toy izany. Angano, angano; arira, arira, na arirarira lava aza. Adihevitra be teo amin’ny faritra, na tanàna, na toerana iray, izay ilazana azy, ny hoe: nisy maty noho ny tsy fahampian-tsakafo, kere, mosary. Tsy marina izany, raha ny filazan’ny sasany: tomponandraikitra na mpitondra, izay ilazana azy koa.

Ireo vavolombelona niara-niaina tamin’ny maty no nilaza ny zava-misy marina tamin’ireo tsy mahalala maty sy velona, izay nitohika fa tsy misy ny kere sy izay matin’izany na ny mosary. Nitohy teny ny adihevitra: ady… Tsy hita izay vahaolana? Na hita fa tsy tanterahina… Farany, niakatra fitsarana, hono, ny raharaha: fitsaram-bahoaka? Izay ilazana azy koa fa angano io: tantara tsy marina sady loza. Aleo antsoina ireo vavolombelona hilaza ny zava-misy marina niainany.

Teo ny tena loza, tsy nisy nipoitra tamin’ny fitsarana ireo hoe vavolombelona. Matahotra? Tsia. Efa tapitra maty avokoa noho ny tsy fahampian-tsakafo, kere, mosary… Mbola hidrikina ihany ny sasany, tomponandraikitra na mpitondra, izay ilazana azy, fa tsy misy ny matin’ny kere na mosary? Tsy mahalala maty sy velona. Sao lany andro amin’ny adihevitra, fitadiavana porofo, paipaika, fivoriana? Amin’izany, mitombo ny mosarena, maty ny maty… Mandra-pahoviana?

Tsy ny fivahan’ny olana haingana sy maharitra ve no tena fahombiazana? Fa tsy izay mahery amin’ny adihevitra, mandresy lahatra amin’ny fivoriana na fitsarana… tsy ahalalana maty sy velona? Na andrasana tsy hiteny avokoa ny velona na ny maty rehetra…

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.