Flash
Préc Suiv

Samy manana ny adiny…

Samy manana ny adiny…

« Ady ny fiainana », hoy ny lohatenin-kiran’i Voahangy izay. Izay tokoa amin’ny lafiny maro. Voambolana toa zary mahazatra ny sofina ity hoe « ady » ity. Ady fiadin’ny mpanao politika ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany aloha. Ampiasaina amin’izany ny anaran’ny vahoaka izay tsy mahafantatra akory izay tena fomba fiadin-dry zalahy. Miahiahy adim-poko, ohatra, ny Sakalava, raha naneho hevitra momba ny  raharaham-pirenena. Dia ho tonga amin’izany ve ny ady seza sy ny tsy firaharahana ny madinika miady amin’ny fiainana ? Ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana ny hoe mety hiteraka izay adim-poko izay, araka ny fijerin’izy ireo azy. Raha ny fandinihan’ny mpandinika ara-politika iray izay anefa dia toa nofy izany hoe hisy adim-poko eto Madagasikara izany. Enga anie ka ho izay tokoa. Fa na izany aza, tsindry sy fanairana ihany ny ataon’ny zanak’i Sakalava. Am-bava homana, am-po mieritra ho an’ny fitondrana ny amin’izany. Efa mametraka adivarotra ny ho amin’izay sezan’ny praiminisitra ho avy eo koa mantsy ry zareo. Ady fiady daholo izany eto amintsika e !

Fa amin’ny tsy fisiana lalandava no iainan’ny mponina maro. Miteraka izany, matetika, ny adilahy politika tsy mitsinjo izay fiainam-bahoaka. Adin-tsaina sy adin’ny mpivady no mameno ny tokantrano maro noho izany. Miandry izay hataon’ny mpitondra e ! Ry zareo anefa ireto, toa variana miady sisiny indray amin’ny famonjena fotoana hisehosehoana any atsimon’ny Nosy noho ny kere lalim-paka miseho any an-toerana. « Rano iray tavoahangy ve dia mba ho aiza ? » hoy ny andaniny. « Tsy miandry ny tsy hanao izahay », hoy ny ankilany. Dia teraka teo indray ny adihevitra teny anivon’ny fiarahamonina teny noho io. Toa ady foana izy izany. Manararaotra ny zava-miseho ny jiolahy sy ny dahalo ka mandravarava izay tratrany. Miadifo ihany ny mpitandro filaminana saingy tsy mety foana ireo mpanao ratsy. Ny asan-dahalo moa, toa zary tantaraina sisa ny isan’ny omby very sy ny fokonolona rava fananana any atsimon’ny Nosy any. Fa mbola tsy maty izany Remenabila ? Mila fanadihadiana lalina izany mba hialana amin’ny adihevitra tsy ihinanan-kanina. Nefa koa ny vilany efa mifamaly amin’ny sakafo ho an’ny sasany. Samy manana ny adiny izy ity e !

Andry Fenomanana

Les commentaires sont fermées.