Flash
Préc Suiv

Tsy hiamboho adidy…

Tsy hiamboho adidy…

« Tsy hiamboho adidy aho, mon général.» Tenin’ny kolonely Ratsimandrava Richard izany tamin’ny nanendren’ny filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta, Ramanantsoa Gabriel, azy hitondra ny tany sy ny fanjakana. 41 taona katroka anio 5 febroary io fifanolorana fahefana teo amin’ny roa tonta io. Tenim-pahendrena izany, ary feno fahatokisana sy fahavononana eo amin’ny andraikitra natolotra. Nampiavaka ity kolonely sady minisitry ny Atitany tamin’ny andron’ny Rapoblika I ity ny famahana ny olana ifotony eny anivon’ny fokonolona. Izy ilay natao hoe rain’ny fokonolona. Ny vahoaka no andrianina, araka izany. Fa niamboho ny lehilahy enina andro taorian’ny nandraisany ny fitondrana noho ny hetraketraky ny sasany. Mbola mivalona any ho any io raharaha io, ankehitriny, tsy hita izay marina momba azy. 41 taona lasa izay. Mila fantarina ny tantara hakana lesona amin’ny tsara tokony hotohizina sy ny tsy nety tokony hovaina na hohatsaraina.

Sahy niatrika ny adidiny izy ary vonona hampanjaka ny vahoaka tompon’ny tanindrazana. Fitiavan-tanindrazana izany. Soa fianatra ! Fa ankehitriny, toa odian’ny mpitondra tsy hita ny adidy mavesatra eo anatrehany. Ny sosialim-bahoaka izany. Miamboho, mitodi-damosina sa mody tsy mijery ny fahoriana efa latsaka anaty ? Toa ny adidy amin’ireo mpiray donak’afo sisa atrehina mba hanambatambazana azy ireo hahazoana ilay hoe fitoniana politika. Adilahy politika no manjaka fa ny ady amin’ny fahantrana, tsy laharam-pahamehana loatra. Fa ry zareo mpanao politika kosa aloha, atrehi-mahavita, iambohoa-mahefa rehefa resaka tombontsoany izay! Sa izay ny tsy miamboho adidy amin’izy ireo sy ilay dradradradrainy hoe fitiavan-tanindrazana? Raha ny lokaloka tamin’ny fandraisana fahefana anefa, mametraka tsara ery fa ireo valalabemandry ireo no « général » namindra ny fitondrana taminy.  Tsy nahay nisafidy izay homena fahefana sa rendriky ny revarevany ivelany ka niantsampy tamin’ny hazo tsy fantatra ireo mpampindrana fahefana ? Fotoana izao hakana lesona amin’izay safidy manaraka eo. Mbola ho ela aloha vao hisy indray ny fifidianana, saingy izao dia efa tokony hieritreritra izay hatao. Adidy amin’ny firenena izany ka tsy tokony hiambohoana.

Andry Fenomanana

Les commentaires sont fermées.