Flash
Préc Suiv

Vita ihany

Vita ihany

Isan’ny volana manahirana ny janoary. Toa lasa lava noho ny hafa izy io noho ny fandaniana natao nandritra ny fetin’ny faran’ny taona. Matetika koa, ratsy ny andro ka mahatonga ny fiakaran’ny rano, manaraka koa ny vidin-javatra. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, sarotra ny nahita  saribao ary nirehitra mihitsy ny vidiny. Soa fa tsy niverina ny orambe tsy ankiato raha resahina ny teto an-dRenivohitra. Ny faritra andrefana sy avaratry ny Nosy indray no voa mafy ary raikitra ny fanomezan-tsiny ny fanjakana izay lazaina fa nitazam-potsiny ny fahavoazana. Efa andro vitsy taty aoriana vao tonga ny fanampiana ny traboina. Ka nanao inona fotsiny ary ny Birao natao hijery  ny loza voajanahary. Tsy ampy ve ny hoenti-manana, sa mbola nanadihady ifotony aloha ?

Ny volana janoary koa no manomboka ny fambolen-kazo. Mahomby ve ity fomba fanao ity ? Tsy maintsy hapetraka ny fanontaniana satria efa hatramin’ny niverenan’ny Fahaleovantena noho mankaty, nanao azy ho laharam-pahamehana ny fitondrana nifanadimby. Ny tsy azo lavina aloha, lasa fitsangantsanganana ho an’ireo mpiasam-pajakana na ireo mpikarama eny amin’ny orinasa tsy miankina ny raharaha. Raha vao vita ny adidy, raikitra ny fety. Zara aza misy fotoana handehanana maka rivotra eny an-dohasaha, manadino vetivety ny lonilony any anaty birao. Firy isanjaton’ireo zanakazo natsatoka maimaika no naniry araka ny tokony ho izy ka namerina tokoa ny tontolo iainana amin’ny laoniny ? Ny eto Analamanga, nahazo fanampiana avy amin’ny Vondrona eropeanina ka arahi-maso ny fambolen-kazo  fa tsy atao fialamboly toy ny mahazatra hatrizay. Raha nahomby tokoa mantsy izy ity, azo antoka fa efa lasa Nosy maitso i Gasikara. Tsy izany velively no miseho. Ny doro tanety, efa zary lasa fahazarana. Ny fanaovana saribao mandripaka ny ala, tapa-porohina sisa tsy may. Miharitra ny tsiron-tany noho ny tavy mandavantaona. Azo eritreretina ve ny hambolena hazo fihinamboa sa tsy maintsy kininina no hatsatoka fa izay no natao hatrizay ? Mety ho afaka ny kere ary ireo mahazo tombony mba hiaro tokoa ny tontolo iainany. Ny tanety lava tokoa misy isainana.

Vonjy Andrianjaka

Les commentaires sont fermées.