Flash
Préc Suiv

Miaiky aho izay !!!

Miaiky aho izay !!!

Vaovao lehibe, tany Frantsa afakomaly, ny fametraham-pialan’ny minisitry ny Fitsarana, Christiane Taubira. Toy ny vara-datsaka, teo amin’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao, izao fanapahan-keviny izao, noho ity ramatoa ity manana ny lazany sy ny toerany (anisan’ny andrarezin’ny hery ankavia, tao amin’ny antoko sosialista), tsy tao anatin’ny governemantan’ny praiminisitra Manuel Valls sy ny fitondran’i François Hollande  ihany fa eo amin’ny tontolo politika frantsay amin’ny ankapobeny mihitsy. Noho ny hoe tsy fitovian-kevitra nihanisongadina, nisy teo aminy sy ny filoha frantsay, no anton’izao fametraham-pialany izao.

Inona koa angaha, hoy ianao, no idirantsika amin’izany ? Mety tsy hisy na inona na inona tokoa e. Saingy izao, rehefa tena zohina, misy dia misy tokoa ny lesona azo tsoahina… ho an’ny manampahefana, na tompon’andraikitra, na mpitondra fanjakana manana fahendrena, manana fanetrentena.  Nivoaka tamin’ny varavarana nidanadana, tsy nitanondrika fa sahy nanatraka ny lohany ramatoa ity raha nifanatrika tamin’ny mpanao gazety marobe, talohan’ny nandaozany ny lapam-panjakana Elysée. Tsy hita soritra teny aminy akory ny fahamenarana, noho ity fanapahan-kevitra lehibe noraisiny tamim-pahasahiana.

Eto amintsika ve ? Na haniry nify aza ny akoho, aza manantena hahita fihetsika toa izany. Ny an’ny sasany, efa mila handifotra azy hatreny an-tendakely ny tsy fahombiazana, ny fahafaham-baraka…  e ! e ! mbola mifikitra eo ihany. Maty eritreritra, tsy mahalala menatra olona na kely aza. Ny seza sy ny voninahitra no ambony sy mibaiko azy.

Eny e ! Misy ihany ny miala amin’ny toerany. Saingy tsy mba nametra-pialana, na niala tamin’ny nahim-pony, toa an-dramatoa ity, fa nosorohina tamin’ny angady vao niala teo.

Ary isika mba ahoana ? Miaiky aho izay !!!

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.