Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Ravelonarivo : « Ho amin’ny filaminana ny RSS »

 « Filaminana sy fandriampahalemana ankapobeny no kendrena amin’ny Rindra safatsiroa ho an’ny sehatry ny filaminana sy fandriampahalemana (RSS). Ao anatin’izany ny sosialy, ny fahasalamana,  ny ara-barotra,  ny toekarena, ny famokarana… », hoy ny Praiminisitra Ravelonarivo, omaly teny Iavoloha, tamin’ny nanolorany amin’ny filoham-pirenena ny fehinkevitry ny RSS.  Nanteriny fa hanakaiky ny eny ifotony ity hetsika. Mbola handalo dingana anefa izany. « Tsy vitan’ny resahina aty ambony fotsiny ny RSS. Hatsangana ny rafitra ary hohatevenina mba hanatanterahana azy io. Havaozina koa ny fomba fitantanana sy fomba fiasa…», hoy ihany izy.

      Etsy andaniny, noderain’ny solontenan’ny Vondrona afrikanina ny finiavan’ny filoham-pirenena sy ny fitondrana amin’izao ezaka hametrahana ny RSS izao. Tafiditra amin’ny firosoana ho amin’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana sy fitoniana izany, araka ny nambarany. Nanaovany antso avo ny mpamatsy vola mba hanohana sy hanampy an’i Madagsikara amin’io RSS io satria efa nitondra ny anjarany ny UA.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.